TANORA OLIVA, REZIONALY ANTSIRANANA: NANATANTERAKA SEMINERA VOALOHANY

204 0
Nisy ny SEMINERA andiany voalohany nataon’ny Sampana Tanora Oliva Antsiranana omaly 25 Desambra tao amin’ny Fiangonana Apokalypsy FRANCO EFESOSY.
 
Lohahevitra 12 izay nifandrombonan’ireo mpampiofana na formateur 12 no nifampizarana tamin’ireo tanora tonga nanatrika ity Seminera ho an’ny Tanora ity., dia ny : Tanora sy Fanabeazana, Tanora sy ny Fahasalamana, Tanora sy ny Serasera, Tanora sy ny Fiandrianam-pirenena,Tanora sy ny Fahadiovana, Tanora sy ny Teknolojia, Tanora sy ny Fitiavana, Tanora sy ny Orientation, Tanora sy Kolontsaina, sns……
 
Tonga nanotrona ity Seminera ny Tanora Oliva ity ny Loholona RANDRIANANTENAINA Aurelien sy ny Medecin Inspecteur Diego II Docteur BEZARA Lucien ary ny Filoha Rezionaly ny FAM Antsiranana pasteur RAKOTOMALALA Perraudin.
 
Nofaranana tamin’ny Fiaraha-misakafo moa izany ny antoandron’iny ihany.
Nangonin’ ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…