RAHARAHA FAKANA AN-KERINY TANY ANKAZOBE: 9 NALEFA ENY TSIAFAHY, 4 NAIDITRA AO ANKAZOBE, 4 ARAHA-MASO

287 0
Tsy mijery fotsiny ny Fitondram-panjakana manoloana ireny trangana fakàna ankeriny tany amin’ny distrikan’i Ankazobe ireny, fa nandray andraikitra mba hampiverina ny Fandriampahalemana haingana.
Nahitam-bokatra ny hetsika fandriampahalemana nataon’ireo Mpitandro filaminana nalefa tany antoerana hanavotra ireo nalaina ankeriny sy hanao hazalambo ireo andian-jiolahy.
Nisy ny tatitra nomen’ny teo anivon’ny Zandarimaria izay nisahana ny famotorana.
Ny faha 20 desambra dia natolotra ny Fampanoavana Ankazobe ireo voarohirohy rehetra miisa 16 ankoatr’ireo izay efa voasambotra sy lavo tany aloha.
 
Vokany,
– 2 sisa ireo olona nalaina ankeriny mbola eo ampelatanan’ireo jiolahy nandritra izay roa volana farany izay, ny 8 moa efa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fianakaviany avy;
– olona 16 no natolotra ny Fampanoavana ny 20 desambra ka: 09 nadoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy izay marihina fa Mpitandro filaminana ; Sivily 04 naiditra ny fonjan’Ankazobe ahitàna Olom-boafidy iray ; olona 03 hafa atao fanarahamaso ara-pitsaràna;
– Sarona ireo bala nampiasain’ireo jiolahy sy ny mpiray tsikombakomba rehetra;
– Mbola mitohy ny fikarohana ireo olona 2 sisa nilaina ankeriny, sy ny hazalambo ireo jiolahy mitazona azy ireo izay efa fantatra avokoa ka tratra tsy ho ela.
 
Tsapa fa mihamafy ny hetsika sy tsindry ataon’ireo Mpitandro filaminana mba ahafahana manasarona ireo jiolahy; Efa manohy ny asa andavan’androny ampitoniana ireo mponina any amin’iny distrikan’i Ankazobe iny. Ankasitrahana ireo Loharanom-baovao nanampy ny Mpitandro filaminana.
 
Loharano nanovozana : InfoCom Seg 

Related Post

𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀

Posted by - décembre 8, 2023 0
𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐁𝐎𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐎 𝐊𝐀 𝐀𝐇𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀 𝐇𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀   Mandry andriran’antsy…