KAOMININA IMERINTSIATOSIKA MISITRAKA NY TAMBERIN’ANDRAIKITRA IREO MPONINA

96 0
KAOMININA IMERINTSIATOSIKA MISITRAKA NY TAMBERIN’ANDRAIKITRA IREO MPONINA
Ny alarobia faha enin’ny volana desembra lasa teo no nitokanana ireo foto-drafitr’asa maromaro avy amin’ny herim-pon’ny mponina sy ny ekipan’ny Ben’ny tanana izay nitarika tsy nisy fanampiana avy any ivelany fa dia ezaky ny Ben’ny tanana sy ny vahoaka madiodio no navitana ireo foto-drafitr’asa izay notokanana ireo isan’izany ny tsena be izay nampitondraina ny anarana hoe « TSENABEN’ NY FIRAISAKINA » eo koa ny ireo toerana fialam-boly izay sady fanomezan-danja ny kilalao malagasy dia nasiana ny lapan’ny fanorona ary narahin’ireo foto-drafitr’asa fandravahana ny tanana dia nasiana ny tsangam-bato omby sy sarety izay isany vakoka mampiavaka an’Imerintsiatosika ary eo ankilan’izay nasiana riandrano izay sady haingon’ny tanana no fialam-bolin’ny maso ihany koa ; tsy izay ihany fa nisy koa ny lalana izay manodidina ny tsena sy ny eo anoloan’ny tsena ary ny isany notokanana tamin’izany koa ny tranom-boky izay lampan’ny tanana teo aloha fa nohon’ny kaominina efa navita lampan’ny tanana vaovao dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo fikambanana teo antoerana nafahana nanokatra ity tranom-boky ity ho an’ny mpianatra rehetra ato Imerintsiatosika .
 
Izao no tanteraka hoy Andriamatoa ANDRIAMBOLANARIVO Parisoa Ben’ny tananan’Imerintsiatosika dia nohon’ny fametrahan’ny mpitantana ny mangarahara tanteraka teo amin’ny fitantana ka naharesy lahatra ny vahoaka handoha hetra sy hiara hientana hampisy ny fampandrosoana ary nandray anjara nivantana ihany koa satria ireo mponina tao amin’ireo fokotany 36 izay mandrafitra ny kaominina na ny lehibe na ny kely tsy nanavahana na ny lahy na ny vavy dia samy nandray anjara avokoa niezahana hoy izy ny nanetsika ny harena voalohany dia ny olona izany satria ankoatran’ny en-timanana ara-bola dia nisy ny fandraisan’anjaran’ny olona tamin’ny fanantanterahana ny asa natao ny tsena hoy hatrany izy satria hita fa efa mihatery ny tanana sady lasa miteraka olana eo amin’ny fifamoivoizana ireo mpivarotra ary efa maro koa ireo avy any amin’ny kaominina rahavavy no mamonjy tsena aty Imeritsiatosika ka mba ho mendrika andraisana azy ireo izany.
 
Efa fomba fiasan’ny ben’ny tanana moa ny fanaovana foto-drafitr’asa izay mizara roa miavaka tsara misy natao ho an’ny rehetra izay hitambaran’ny vahoaka rehetra ao amin’ny kaominina toin’ny tamin’ny fitodrana voalohan’ny ben’ny tanana dia nanao ny lampan’ny tanana izay ampiasain’ny 36 fokotany ato amin’ny kaominina ny faha roa dia ny foto-drafitr’asa isam-pokotany toin’ny fanamboarana sekoly sy lalana pavé eny amin’ny fokotany izay ireo mponina ao amin’ny fokotany no misitraka azy ; ka dia tanteraka ary mitohy hatrany izany an-kehitriny hoy ny ben’ny tanana ka ireo foto-drafitr’asa notokanana ireo sy sitrahin’ny isam-pokotany no porofo Izao no tanteraka hoy hatrany andriamatoa Andriambolanarivo Parisoa ben’ny tananan’Imerintsiatosika dia ny fametrahana ny mangarahara sy ny tamberinandraikitra ka tsy ny fanentanana ny olona no natao voalohany fa ny fanombohana ny asa ka nohon’ny fahitan’ny olona ny fanombohan’ny fanaovana foto-drafitr’asa izay vao nasiana ny fanentanana fa ny fandraisanandraikitra izay antaon’ny vahoaka amin’ny hetra dia tsy miditra any amposin’ny Ben’ny tanana akory fa hanaovana ny fanaovana foto-drafitr’asa izay natao hamaly ny filan’ny vahoaka sy fampandrosoana ny tanana niainga tamin’ny fiangavian’ny mpanatanteraka ireo mpanolontsaina mba hanampaka ny fanentanana ny vahoaka ny asa ka teo dia efa nisy ny firaisan-kina ary nosokafana teny amin’ny vahoaka hoy hatrany ny ben’ny tanana ny teny filamatra izay nanainga ny mpiasan’ny kaominina sy ny vahoaka moa dia ny hoe « fitantanana mangarahara , vokatra azo tsampain-tanana ary fatokisan’ny vahoka » ka napetraka tsara ny tatitra ny miditra sy mivoaka eo anivon’ny kaominina izay narahin’ny ezaka nataon’ny Ben’ny tanana izay niady ny tombotsoa iraisana ho an’ny daholobe ka nampandefitra ny fitiavan-tena sy fijerena tombotsoa manokana ary fototra iray lehibe hoy izy ny tsy fampifangaroana ny polotika sy ny fitantanan ary fametrahana ny fampandrosoana ka hafatra ampitany amin’ireo ben’ny tanana namany ny hoe tsy miakina amin’ny lokom-politika ny eo amin’ny fitondrana ny fampandrosoana ny kaominina ka tsy maintsy hivadika nhitovy loko amin’ny mpitondra foibe vao mavita zavatra fa ny fitondrana tsy adala fa rehefa mahita ny ezaky ny ben’ny tanana dia manampy hatrany .
Izany anefa tsy midika fa mavita tena ny ben’ny tanana fa tsy maintsy eo ambany fihahian’ny fitondrana foibe hatrany satria ny kaominina dia tsy fitondrana kely anaty fitondrana akory fa ilay fanindrahindrana ny loko politika sy ny mpitondra no ampirimina satria ny olona entina dia samy manana ny loko politikany ka lasa zarazarain’ny lokom-polita izay miteraka ny fihemoran’ny olona amin’ny fandraisana andraikitra ka lasa simban’ny loko politaka ilay firaisankina .
 
Na dia maro aza ireo efa vita dia mbola maro koa ireo miandry hoy andriamatoa Andriambolanarivo Parisoa ben’ny tanan’Imerintsiatosika dia ny eo amin’ny fahadiovana izay olana ny fifehezana azy nohon’ny fisian’ireo mpifindra monina avy amin’ireo kaominina ambanivohitra manodidina izay mirodorodo miakatra eo Imeritsiatosika ka miantso ny fitondrana foibe ny ben’ny tanana ny hijerena ireo olona mpifindra monina izay miezaka mamonjy ny tanan-dehibe hoe ahoana ny vahaolana avy amin’ny foibe ny hoe ahoana ny tsy hifindran’ireo olona any ambanivohitra miazo an’ny tanan-dehibe toin’Imerintsiatosika sy Antananarivo satria hoy izy lasa mitovy olana amin’izao Imerintsiatosika sy Antananarivo ka tokony jerena ny hatamana azy ireo amin’ny toerany toin’ny fotodrafitr’asa ilain’ny mponina ohatra amin’izany ny lafiny fampianarana izay tsy misy sekoly hampianarany ny zanany eo koa ny lalana izay tsy misy hamoahan’izy ireo ny vokatrany ka lasa simba fotsiny izany tranga misy mahatonga ireo olona avy any ambanivohitra hiazo ny tanan-dehibe izany ka mila politika maty paikan’ny fitondrana foibe izany Isany ben’ny tanana tanora indrindra amin’ireo ben’ny tanana manerana ny nosy moa andriamatoa Andriambolanarivo Parisoa ary faha roa nahalany azy ho ben’ny tanana izao hitondrany izao izay efa ho tapitra atsy ho atsy ; na dia eo aza ny maha tanaora azy dia hita sy misongadina kosa ny ezaka sy ny fampandrosoana ny kaominina izay tantanany satria resilahatra ny mponina fa mahavita sy mahay mitantana ary azo hitokisana tsara izy ary raha ny fitantanana ny kaominina dia hita mibaribary ny fametrahana ny mangarahara sy ny tamberinandraikitra ary ny vokatr’izany , izy moa dia tsy manana loko politika fa tamin’ny alalan’ny mahaleon-tena na INDEPENDANT no nirotsahany sy naha lany azy in-droa misesy ka nilaza mazava izy fa ho an’ny vahoaka no nirotsahany sy ny maha ben’ny tanana azy ka na tamin’ny alalan’ny tsy miankina aza no nahalany azy dia tsy manohitra fitondrana izy sady tsy manara-drenirano ny fanjakana fa manaja ny vondrom-bahoaka itsindraram-pahefana ka ny fangatahany amin’ny fanjakana foibe ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy Nanditrin’ny fihaoana tamin’ andriamatoa Andriambolanarivo Parisoa ben’ny tananan’Imeritsiatosika koa dia nanotanianay azy ny mikasika ny resaka mandeha eny amin’ny tambazotran-tserasera ny mikasika ny hoe hirotsahany ho ben’ny tananan’ny kaominina renivohitra Antananarivo dia mazava ny valin-teniny hoe kandinda ben’ny tanana ny tenany fa tsy kandida solombavam-bahoaka tsy miheritseritra ho Governora tsy mitady toerana ho minisitra fa kandida ben’ny tanana mbola ho lazainy amin’ny fotoana mahapety azy hoe aiza ny toerana na ny kaominina hirotsahany hoy izy
Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post