TOHA-DRANON’NY MAHAJILO AO MIANDRIVAZO | HANOMBOKA NY FANAMBOARANA AZY

591 0

 Tonga tao Miandrivazo ny iraky ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana miaraka amin’ireo teknisianina nanao fijerena ifotony naka ny antotan-kevitra rehetra entina hanatanterahana ny asa ny alakamisy faha 7 desambra izay hamoahana ny ireo sokajin’asa hatao ka mizara roa mazava tsara ny asa ny voalohany dia ny asa fohy ezaka izay maika tsy maintsy atao mba hiarovanana ny tanana amin’ny fahavaratra ho avy ity ; ny faha roa kosa dia ny asa lavitr’ezaka izay vahaolana maharitra mba tsy hiverenan’ny tondra-drano miverimberina ao Miandrivazo.

Ny diangana arahina mba hampandeha ny aasa sy havitan’ny asa moa dia izao fidinana ifotiny izao no dingana voalohany izay handrafetana ny mpitsopitsony ny teti-bola entina manantanteraka ny asa ary aorian’izao izay tsy ho ela dia hivoaka ny fiantsoana ireo orinasa izay afaka hanao ny asa ka rehefa voasafidy ny orinasa dia manomboka ny fanamboarana.

 Velompisaorana ny fitondram-panjakana ireo mponinana noho izao fanam-boarana ny toha-dranon’ny Mahajilo izao satria sady voaharo ireo mponina no afaka mamboly ara-dalana ihany koa izao moa no tanteraka dia nohon’ny ady sisika izay nataon’ny solombavambahoakan’ny Madagasikara izay voafidy tao amin’ny distrikan’ny Miandrivazo satria isany nangatahiny voalohany tamin’ny fandraisam-pitenenana fony izy vao lany solombavambahoaka io toha-drano io ka dia velom-pisaorana ny fitondrana foibe ny tenany indrindra fa Andriamatoa praiminisitra Ntsay Christian izay nadefa ireto iraka ireto hisantatra izay asa fanamboarana izao ; ny ben’ny Tananan’ny Kaominina ambonivohitra Miandrivazo kosa moa dia nanamarika fa efa 20 taona no naha ben’ny tanana azy ary tsy nitrahatra ny nangataka ny nanamboarana io toha-drano io saingy tsy nisy nihaino ireo mpitondra nifandimby teo ka misaotra izao fitondrana izao nijery an’ny Miandrivazo ary miantso ny fitondrana foibe mba hanamboarana ny asa faran’izay malaky satria ho avy ny fotoanan’ny orana ka hitohy hatrany ny fijalian’ny mponina raha sanatria tara ny fanombohan’ny asa ;

Vaoavaly avy hatrany moa izay fangatahan’andriamatoa ben’ny tanana izay satria dia nilaza ireo teknisianina fa tsy ho amam-bolana akory fa andro no isaina dia handeha izay asa maika izay

Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…