May ny Espace Dera eto Tsiadana

764 0

Afo mijoalajoala no nanaitra ny manodidina, hay ka ny Espace Dera eto Tsiadana no may, ary nohon’ny herin’ny afo dia niitatra tamin’ireo trano manodidina ka anisan’ny lasibatra tamin’izany ny Orin’asa misehatra amin’ny Call Center iray manakaiky an’io Espace Dera io.

Raha araka ny voalazan’ny Lehiben’ny Mpamonjy Voina, izay efa tronga teny an-toerana namono ny afo, dia tao amin’ny Lakozia ampiasain’ny Espace no nopoiran’ny afo, ary vetivety dia niitatra nameno ny trano manontolo, vokany may tsy nisy azo noraisiny avokoa ny entana rehetra tao amin’ity espace it, raha nisy kosa no avotra soa aman-tsara ny entana tao amin’ilay Orin’asa Call Center, izany dia vokatry ny fifanomezan-tanana misy eo amin’ny samy mpiasa.

Tombanana ho an-jatony ny tanora very asa nohon’ny fahavoazan’ity toerana malaza amin’ny fandraisana fivoriana sy fanomanana lanonana ity.

Ao anatin’ny fotoana maha-maro ny firehetana isika izao, ka tokony hitandrina hatrany ny rehetra

Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

B I A N C O TOLIARA

Posted by - décembre 10, 2023 0
B I A N C O TOLIARA 20 Taona androany no nanaovana ny fifanarahana Iraisam-pirenena entina hiadiana amin’ny kolikoly.  …

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…