ENAP, FANDRAISANA IREO MPIANATRA HO MPANDRAHARAHAN’NY FONJA

507 0
ENAP, FANDRAISANA IREO MPIANATRA HO MPANDRAHARAHAN’NY FONJA
 
📌Alahady 12 novambra 2023, Tontosa soamatsara ny fandraisana sy ny fampidirana ireo mpianatra ho mpandraharahan’ny fonja miisa 250 (220 mpianatra ho Agents pénitentiaires ary 30 mpianatra ho Greffiers comptables) teto amin’ny Sekoly Mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) Antetezambaro.
 
➡️Nandritra izany fampidirana azy ireo izany dia tsy nisy ny sampona na naratra fa amin’ny maha Sekoly fampiofanana manana ny sata manokana mifehy azy ny Enap moa dia tsy maintsy misy ny fombafomba fandraisana azy ireo. Haharitra 45 andro raha kely indrindra izao dingana voalohany hatrehin’ izy ireo izao ka hiompana tanteraka amin’ny fiofanana fototra ara-miaramila izany sy ny fampahafantarana azy ireo ny mikasika ny rafitra misy eo anivon’ny Ministeran’ ny Fitsarana sy ny Fandraharahana ny Fonja ary ny iraka ankinin’ ny Fanjakana amin’ireo rafitra ireo.
 
✔️Efa vonona avokoa ny filana takian’ izao dingana voalohany izao (sakafo, sns…). Marihina moa fa haharitra 12 volana ny fiofanana ho an’ny mpianatra ho Agents pénitentiaires ary 18 volana ho an’ny mpianatra ho Greffiers comptables

Related Post

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 – 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐬𝐢𝐩𝐚𝐥𝐲.

Posted by - septembre 4, 2024 0
Nisy ny sehatra nifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora eto Antsirabe Ambonivohitra androany 02 septambra.…