Manohy manitatra ny tambajotra sy mampahafantatra ny asa sahaniny manerana anโi Madagasikara ny AFIM, na ny Aingabenโny Fanavaozana Ifotony ho anโi Madagasikara. Vovonanโireo fikambanana manana tetikasa mikendry ny fampandrosoana ny firenena izy ity, ary nijoro taminโny faramparanโny volana Janoary 2026.
Araka ny fanazavana voaray, efa manana solontena sy mpikambana aminโny distrika maro manerana anโi Madagasikara ny AFIM. Tafiditra ao anatinโny fanitarana ny asany ny fihaonana sy ny fampiofanana notanterahina ny 3 Septambra 2026, tao aminโny Kaominina Fieferana, DistrikanโAntananarivo Avaradrano.
Ny filoha nasionalinโny AFIM, Maรฎtre RAKOTOARISONA Vincent Vladimir, notroninโireo mpikambana ao aminโny Birao Nasionaly, no nitarika ny fifampizarana sy ny fampiofanana. Fikambanam-behivavy maro no nandray anjara taminโizany, ka nifantoka indrindra taminโny fanomezana fahalalana sy tan-tsoroka ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny hetsika.
Nohazavaina nandritra ny fihaonana fa vovonana mikaroka sy manamora ny fahazoanโireo fikambanana fanohanana ara-bola sy ara-teknika ny AFIM. Tsy olon-tsotra no raisina ho mpikambana ao aminy, fa fikambanana efa mijoro ara-dalร na sy manana antontan-taratasy mifanaraka aminโizany.
Araka ny nambaranโny filoha nasionaly, fikambanana maherinโny 2 000 no efa mpikambana ao anatinโny vovonana AFIM hatraminโizao. Nohamafisiny ihany koa fa tsy manao politika ny AFIM, fa mifantoka aminโny fanohanana sy ny fampandrosoana ireo fikambanana eny ifotony.
Ho anโireo fikambanana maniry hiditra ho mpikambana, anisanโny mason-tsivana fototra takina ny maha-fikambanana mijoro sy voasoratra ara-dalร na azy. Aminโny alalanโny fampiofanana sy ny fanitarana ny tambajotra tahaka izao no kasainโny AFIM hanamafisana ny fandraisanโireo fikambanana anjara aminโny fampandrosoana maharitra ny faritra misy azy.


