๐€๐ง๐ญ๐ฌ๐ข๐ซ๐š๐›๐ž : ๐Ž๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ฆ๐š๐ซ๐จ๐ฆ๐š๐ซ๐จ ๐ฆ๐ข๐ญ๐š๐ค๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ฆ๐จ๐ญ๐ฌ๐จ๐ซ๐š๐ง๐š ๐ญ๐จ๐ฏ๐จ๐ฅ๐š๐ก๐ฒ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ฏ๐จ๐š๐ญ๐š๐ณ๐จ๐ง๐š ๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ค๐š๐จ๐ฆ๐ข๐ฌ๐š๐ซ๐ข๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ฉ๐จ๐ฅ๐ข๐ฌ๐ฒ

8 0

Nanao fihetsiketsehana teo anoloanโ€™ny biraonโ€™ny kaomisarianโ€™ny polisy ao Antsirabe ny olona maromaro avy ao aminโ€™ny fokontany Andafy, atsimonโ€™ny orinasa STAR, ho fitakiana ny famotsorana tovolahy iray namanโ€™izy ireo, izay voalaza fa tazoninโ€™ny mpitandro filaminana.

Araka ny vaovao voaray, nivory teo anoloanโ€™ny biraonโ€™ny polisy ireo olona ireo, nitaky ny hamoahana ilay tovolahy. Voalaza fa mifandray aminโ€™ny raharaha iray tao aminโ€™ny toerana antsoina hoe ยซ Autruche Antsirabe ยป ny antony nitazonana azy, saingy mbola tsy nisy fanazavana ofisialy aminโ€™ny antsipiriany momba izany hatreto.

Tazana nihatrana teo anoloanโ€™ny vavahadinโ€™ny kaomisaria ihany koa ireo mpitandro filaminana. Natao izany, araka ny voalaza, ho fitandroana ny filaminana sy ho fisorohana ny mety hisianโ€™ny korontana eo aminโ€™ny manodidina.

Tsy mbola fantatra mazava ny fepetra ara-pitsarana mihatra aminโ€™ilay tovolahy, na ny vesatra mety anenjehana azy. Noho izany, hajaina hatrany ny fiheverana azy ho tsy manan-tsiny, mandra-pivoakanโ€™ny fanapahan-kevitra ara-dalร na.

Mbola andrasana ny fanazavana ofisialy avy aminโ€™ny tomponโ€™andraikitry ny polisy momba ny antony nitazonana azy sy ny tohinโ€™ny raharaha.

Nangonin’i Haintsoa – Antsirabe

Related Post