AMBILOBE: MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY

327 0
⚖️AMBILOBE: MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY. TAFAPETRAKA NY FILOHA SY NY TONIA MPAMPANOA LALANA. NANATRIKA NY LANONANA ARA-PITSARANA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.
 
📌Zoma faha -10 Novambra 2023, Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambilobe, napetraka ho Filoha Ramatoa RASOARIVELO Nirina, napetraka ho Tonia Mpampanoa Lalàna kosa Andriamatoa TOZARA Constant. Efa mandray ny asany avokoa ireo Mpiasa rehetra hampandeha ny raharaha eo anivon’ity Fitsarana vaovao, natsangan’ny Fanjakana ity. Ny Alatsinainy ho avy izao dia efa azon’ny vahoakan’ Ambilobe hanatonana araka ny fanentanana izay nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nohamafisiny fa tsy misy very akory ny raharaha izay nentina tany Antsiranana fa efa voafindra eto Ambilobe avokoa ny fanohizana izany ho an’ny Mponina eto.
 
⭕Raha ny fantatra mantsy dia ny 31 isan-jaton’ny ady madio sy ny 35 isan-jaton’ny ady heloka nandalo tao Antsiranana dia avy teto Ambilobe avokoa. Afa-pahasahiranana arak’izany ny Mponina, na eo amin’ny lafiny fivezivezena na eo amin’ny lafiny ara-bola, nohon’ny saran-dalana, indrindra amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana, izay miankina amin’ny Fitsarana. Nanatrika ny fametrahana tamin’ny toerany ny Filoha sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao Ambanja, ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony, na olom-boafidy na olom-boatendry.

© :

justice.mg
 

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…