Nankalaza taminโny fomba manetriketrika ny Fetim-pirenena sy ny faha-66 taonanโny niverenanโny Fahaleovantenanโi Madagasikara ny mponina tao aminโny Kaominina Betsohana, Distrikanโi Mandoto, Faritra Vakinankaratra. Hetsika maro samihafa no nanamarihana izany, tao anatinโny hafaliana, firaisankina ary filaminana.
Rindran-kira, lalao isan-karazany, filaharana nandraisanโireo hery velona ao an-toerana anjara, ary fotoam-pivavahana firaisam-pinoana no anisanโireo hetsika lehibe nandravaka ny fankalazana tao Betsohana. Naneho firaisankina ny mponina sy ireo tomponโandraikitra isan-tsokajiny, ka nahatonga ny lanonana hizotra tamim-pilaminana.
Nankasitraka manokana ny fandraisanโanjaranโny vahoaka ny Benโny Tanร nanโi Betsohana, Andriamatoa ANDRIANARISOA Heriniaina James. Nambarany fa ny fahamendrehana nasehonโny mponina nandritra ny fankalazana dia porofonโny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisankina ao aminโny kaominina. Nisaotra ireo mpiara-miasa, ireo hery velona ary ny vahoaka rehetra izy noho ny fiaraha-mientana nahafahana nanatanteraka ny lanonana tao anatinโny filaminana.
Araka ny nambaranโny Benโny Tanร na, โny hafanam-po sy ny firaisankina no antoka lehibe indrindra aminโny fampandrosoana ny tanร naโ. Nampitondrainy hafatra ihany koa ny mponina mba hitohizanโizany fihavanana sy fifanajana izany, satria fototra iorenanโny fampandrosoana maharitra ho anโi Betsohana.
Tsiahivina fa anisanโireo kaominina manana vokatra ara-pambolena i Betsohana. Na izany aza, mbola voalaza ho iray aminโireo sakana lehibe aminโny fampandrosoana ny fahasarotanโny lalana mihazo ny tanร na, indrindra ho anโireo tantsaha mitondra ny vokatra. Noho izany, misy ny antso avo atao aminโireo tomponโandraikitra mahefa mba hijery akaiky ity olanโny fotodrafitrasa ity, hahafahana manamora ny fivezivezena sy manohana bebe kokoa ny fampandrosoana eny ifotony.




