MAROABOALY, KAOMININA AMBALAKIRAJY – BODOIN`OLONTOKANA NY TANIN-TSEKOLY, TOHERIN`NY VAHOAKA

13 0
Niroso tamin`ny fitokonana ny vahoaka tao Maroaboaly kaominina Ambalakirajy distrikan’i Mandritsara androany zoma 19 jona 2026. Naneho ny fanoherana ny fibodoana ny tanin-tsekoly (Epp Maroboaly) izay ataon`olon-tokana.
Handravan’olombitsy.
Niara-nientana ny Fokonolona sy Mpanabe ary ny Mpianatra ao amin’ny EPP Maroboaly ka nilanja sorabaventy naneho ny fanoherana izany. Raha Tsiahivina dia efa an-taonany maro no nisian’ny olana momba tany ity. Nilaza ireo fokonolona fa nahazo « Ordonnance » avy amin’ny fitsarana izay mirakitra tsy fahazoana mikitika ilay tany raha tsy mivoaka ny didim-pitsarana. Gaga ireo vahoaka fa niditra ankeriny ny olombitsy mpibodo tany io. « Terrain de reboisement » sy tany fanaovana Fanatanjahantena hoan`ny Mpianatra.
Nanaovana voly sy foto-drafitrasa moa izy ity ankehitriny ary nampihetsika ny ady. Misy ireo nijoro vavolombelona fa nanomboka tamin`ny taona 1962 dia Efa tanin-tsekoly no nahafantaran`ny maro toerna ity. Taty aoriana dia nisy nilaza fa tompony satria nisy olobe hono nanome ilay tany.
Manao antso avo amin’ny tompon’andraikim-panjakana ny Fokonolona mba hijery akaiky raharaha momba tany io fa miteraka fikorontanana eo amin`ny fampianarana ao antoerana indrindra ny rafi-piarahamonina.
Nangonin’i Claudio

Related Post