𝐌𝐚𝐫𝐨𝐯𝐨𝐚𝐲 : 𝐍𝐨𝐬𝐨𝐀𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 π­πšπ¦π’π§β€™π§π² πŸπ¨π¦π›πš 𝐨𝐟𝐒𝐬𝐒𝐚π₯𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐒𝐟𝐚𝐧𝐒𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐣𝐚𝐑𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐞𝐀𝐨π₯𝐲 β€œπ’πšπ«π¨π¦π›πšπ€πš πŸπŸŽπŸπŸ”β€

15 0
Notanterahina tao amin’ny kianja Ramarika, ny alakamisy 28 mey 2026, ny lanonam-panokafana ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly eo anivon’ny CISCO Marovoay. Mitondra ny anarana hoe β€œSarombaka 2026” ity hetsika ity, izay mampivondrona ireo sekoly sy faritra pedagogika samihafa ao amin’ny distrika.
Tonga nandray anjara avokoa ireo ZAP 13 ao anatin’ny CISCO Marovoay, maneho ny firaisankina sy ny fahavononan’ny tanora mpianatra amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Marihina fa ireo ekipa sy mpandresy mendrika indrindra amin’ity fifaninanana ity no hisolo tena an’i Marovoay amin’ny fifaninanana rejionaly izay hatao any amin’ny faritra Boeny.
Nanome voninahitra ny lanonana ireo tompon’andraiki-panjakana sy olo-manankaja maro, isan’izany ny solontenan’ny lehiben’ny distrika, ireo parlemantera, ny PDS-n’i Marovoay, ny tompon’andraikitra misahana ny fanatanjahantena ao amin’ny CISCO, ary koa ireo manampahefana sivily sy miaramila.
Ankoatra ny fifaninanana ara-panatanjahantena dia mikendry ihany koa ny hampiroborobo ny soatoavina toy ny firaisankina, ny fifanajana ary ny fahaiza-miara-miasa eo amin’ny samy mpianatra ny hetsika β€œSarombaka 2026”.
Hitohy mandritra ny andro maromaro ny fifaninanana, ka aorian’izany vao ho fantatra ireo hisolo tena ny distrikan’i Marovoay amin’ny dingana manaraka.

Related Post

Fikambanana TAHIO GN’ATEGNA | TOURNOI FOOT-BALL COUPE AOMBY MATAVY

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐅𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 π™πŽπŒπ€ πŸŽπŸ“ -𝟎𝟏-πŸπŸŽπŸπŸ’ | π…π’π€πšπ¦π›πšπ§πšπ§πš π“π€π‡πˆπŽ 𝐆𝐍’𝐀𝐓𝐄𝐆𝐍𝐀 | π“πŽπ”π‘ππŽπˆ π…πŽπŽπ“-𝐁𝐀𝐋𝐋 π‚πŽπ”ππ„ π€πŽπŒππ˜ πŒπ€π“π€π•π˜ 𝐌𝐒𝐒𝐬𝐚 πŸ“ 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐧’𝐒𝐫𝐞𝐨 π…π¨π€π¨π§π­πšπ§π² πŸπŸ’ 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚…