๐๐ž๐ฌ๐š๐ค๐š๐ฒ (๐Œ๐ž๐ง๐š๐›๐ž) : ๐…๐ข๐ญ๐ซ๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ก๐š๐ง๐š ๐œ๐จ๐ฅ๐จ๐ฆ๐›๐ข๐ญ๐ž, ๐ณ๐š๐ณ๐š ๐๐ข๐š ๐ž๐Ÿ๐š ๐ฆ๐ข๐š๐ฌ๐š ๐š๐ซ๐ฒ ๐ญ๐š๐ง๐๐ข๐ง๐๐จ๐ฆ๐ข๐ง-๐๐จ๐ณ๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ก๐š๐ฌ๐š๐ฅ๐š๐ฆ๐š๐ง๐š

313 0

Ao aminโ€™ny faritra Menabe, andrefanโ€™i Madagasikara, mitombo isanโ€™andro ireo olona mitady harena ankibonโ€™ny tany. Ao aminโ€™ny kaominina ambanivohitra Dabolava, distrikanโ€™i Miandrivazo, ao aminโ€™ny fokontany Ankiranomena, no misy ny kariera Besakay, toerana fitrandrahana vato colombite izay nahasarika mpitrandraka anโ€™arivony nanomboka ny fiandohanโ€™ny taona 2025.

Vokatry ity fitrandrahana dia nitombo be ireo mpifindra monina ao amin’ny kariera . Maro aminโ€™izy ireo no efa miorim-ponenana eny amin’ny kariera, manangana toby sy trano vonjimaika.

Hita eny an-toerana ihany koa ireo vahiny, indrindra ireo Sinoa, izay mividy sy miasa aminโ€™ny sehatry ny fitrandrahana.

Anisanโ€™ny mampanahy ny fisianโ€™ireo zaza tsy ampy taona maro miasa eny aminโ€™ny kariera. Zaza tokony ho any an-tsekoly, saingy tafiditra aminโ€™ny asa mafy sy mampidi-doza sahady.

Tsy maharaka ny fitomboanโ€™ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana. Tsy tafiditra ao anatinโ€™ny lisitry ny mponina ao aminโ€™ny CSB II Dabolava ireo mpitrandraka, ka sarotra ny fanaraha-maso.

Maro ireo reny miteraka eny an-toerana, ary betsaka aminโ€™ireo zaza no tsy mahazo vaksiny ara-potoana.

Simba ny tontolo iainana nohon’ny lavaka lalina vokatry ny fitrandrahana, simba ny tany ary voa ny loharanon-drano. Vokany, miparitaka ny aretina toy ny tazomoka, aretin-kibo ary aretina mifindra.

Mandoa vola isanโ€™andro ireo mpitrandraka vao mahazo miasa. Saingy maro no milaza fa tsy mitovy ny tombontsoa azo.

Etsy ankilany, tsy mazava ihany koa ny tamberim-bidy ho anโ€™ny kaominina, na dia misy vola miditra aza.

Manoloana izany rehetra izany dia mipetraka ny fanontaniana:
๐Ÿ‘‰ Aiza no miafara ny vola avy aminโ€™ny fitrandrahana?
๐Ÿ‘‰ Iza no tena mahazo tombony?

Ao Besakay, mitady harena ny olonaโ€ฆ saingy am-badik’izany dia tandindomin-doza ny fahasalamanโ€™ny mponina, ny zonโ€™ny ankizy ary ny tontolo iainana.

Related Post

๐—ฆ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐— ๐—•๐—”๐—ฉ๐—”๐— ๐—•๐—”๐—›๐—ข๐—”๐—ž๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—™๐—œ๐——๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข ๐—ก๐—œ๐—ญ๐—”๐—ฅ๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ก๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ข ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ž๐—”๐—ข๐— ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—™๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข

Posted by - septembre 12, 2024 0
๐™ท๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐šŠ๐š๐š’๐šœ๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š™๐š˜๐š•๐š’๐š๐š’๐š”๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š๐šŠ๐š—๐š“๐šŠ๐š”๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š๐š˜๐š’๐š‹๐šŽ ๐šœ๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š—๐šŠ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š—๐šข ๐š›๐šŠ๐šข ๐šŠ๐š–๐šŠ๐š—-๐š๐š›๐šŽ๐š—๐šข ๐šŠ๐š–๐š’๐š—โ€™๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐š๐š’๐š๐š’๐š›๐šŠ๐š—โ€™๐š—๐šข ๐š–๐š™๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ๐š๐š›๐šŠ ๐š’๐šฃ๐šŠ๐š˜ ๐šŠ๐š›๐šข ๐š‘๐š˜ ๐š๐šŠ๐š–๐š™๐š˜๐š›๐š’๐šœ๐š’๐š‘๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š’๐š›๐šŽ๐š˜…