Manoloana ny fitomboanโny tranga tsy fandriam-pahalemana izay nitranga nisesisesy tato anatinโny herinandro vitsivitsy tao aminโny Distrikanโi Marolambo, dia nivoaka taminโny fahanginany ny Solombavambahoaka voafidy ao an-toerana, Randrianasolo Augustin.
Araka ny fanambarana nataony, dia nanamarika izy fa mampanahy lalina ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fahamarinan-toerana eny aminโny fokontany sasany, izay miteraka tahotra sy ahiahy ho anโny mponina. Nambarany fa tsy azo ekena intsony ny fahanginana manoloana izao toe-draharaha izao, indrindra fa aminโny maha solontenanโny vahoaka azy.
Nanazava izy fa efa nisy ny fifampidinihana nataony taminโireo tomponโandraikitra isan-tsokajiny, anisanโizany ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana eo anivonโny distrika, mba hitadiavana vahaolana maika sy maharitra. Tanjona aminโizany ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra sy ny famerenana ny fitokisanโny mponina aminโny rafitra miaro azy ireo.
Ankoatra izany, dia niantso ny rehetra izy mba hiara-hientana aminโny ady aminโny tsy fandriam-pahalemana, aminโny alalanโny fiaraha-miasa akaiky eo aminโny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana. Notsindriany fa andraikitry ny tsirairay ny mandray anjara aminโny fitandroana ny fandriampahalemana, satria fototra iorenanโny fampandrosoana izany.
Eo am-pamaranana, dia nanome toky Randrianasolo Augustin fa hanohy hanara-maso akaiky ny zava-misy izy, ary tsy hitsahatra hitaky vahaolana mazava sy haingana ho anโny mponinโi Marolambo, mba hahafahanโizy ireo miaina am-pilaminana sy miverina aminโny andavanandrony tsy misy tahotra.




