Maevatanàna: Nitondra fanentanana mikasika ny  » MPOX  » na nendra-jako teny amin’ny fiantsoana fiara nasionaly sy rezionaly ny préfet sy ny tompon’andraikitra maro aty an-toerana.

35 0
📌 Io hariva io no nidina teny amin’ny fiantsoana fiara nasionaly sy rezionaly na ny eny amin’ny » Gare routière  » teto amin’ny renivohitry ny faritra Betsiboka ny préfetn’i Maevatanàna sy ny Tale kabinetran’ny faritra, tompon’andraikitra eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, polisim-pirenena, fitaterana, ekipan’ny fahasalam-bahoaka, ben’ny tanànan’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra sy ny maro tsy voatan’isa. Izay nanao ny fanentanana mikasika ny valan’aretina nendra-jako na  » MPOX  » misy any Mahajanga mba fisorohana ny aretina tsy ho tonga ato amin’ny faritra Betsiboka.
📌 Nandritra izany no nanao fampifantarana an’ireo olona sy mpamily teny an-toerana, fa afaka mitsabo maimaimpoana ny tobim-pahasalamana rehetra ato anatin’ny fitaliavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka, raha toa ka misy olona sendra marary tampoka, nohon’ny trangan’aretina voalaza etsy aloha. Teo ihany koa dia misy ny fitsirihana ara-pahasalamana natao, tamin’ireo olombelona niala tamin’ny fiara avy an’i Mahajanga manao zotra rezionaly eto Maevatanàna, izay nataon’ireo mpitsabo misahana izany. Nohamafasin’ny préfetn’i Maevatanàna, fa mbola tsy nahitana ity aretina nendra-jako ity ihany koa ny ato anatin’ny faritra Betsiboka.
📌 Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa tsy azo hatao intsony ny mampidina olona amin’ny fiara fitateram-bahoaka, eny ivelann’ny toeram-piantsoana fiara eto Maevatanàna mba hafan’ireo mpiasan’ny fahasalamana manara-maso ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka sy ny vahiny miditra. Izany dia notarihan’Atoa Vanombe Clavelah Roselan préfetn’i Maevatanàna.
✍️ Zandry be Tantely

Related Post

👉𝐅𝐈𝐇𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
✅𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐑𝐌𝐕 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨…