๐…๐ˆ๐€๐‘๐€๐‡๐€-๐Œ๐ˆ๐€๐’๐€ ๐€๐‘๐€-๐๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€๐๐€ | ๐Œ๐š๐๐š๐ ๐š๐ฌ๐ข๐ค๐š๐ซ๐š โ€“ ๐๐š๐ญ๐š๐ซ

278 0
Fihaonana teo aminโ€™ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy sy ny Minisitry ny Fitsarana ao Qatar
Tao anatinโ€™ny fanatanterahana ny fivoriana faha-11 anโ€™ireo Firenena Mpikambana ao aminโ€™ny Fifanarahanโ€™ny Firenena Mikambana hiadiana aminโ€™ny kolikoly (COSP11), notontosaina tao Doha, no nanatanterahana fihaonana ara-diplaomatika teo aminโ€™ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana Malagasy, Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, sy Andriamatoa Masoud bin Mohammed Al Amri, Minisitry ny Fitsarana ao aminโ€™ny Fanjakanโ€™i Qatar.
Nifantoka indrindra taminโ€™ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo aminโ€™i Madagasikara sy i Qatar ny fifanakalozan-kevitra, indrindra eo aminโ€™ny ady aminโ€™ny kolikoly, ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary ny fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ho anโ€™ireo mpitsara sy mpisehatra ara-pitsarana.
Nambaran-dRamatoa Minisitry ny Fitsarana Malagasy nandritra izany fa vonona tanteraka i Madagasikara haka lesona sy handray ireo fomba fanao tsara efa voaporofo ampiharina ao Qatar, indrindra eo aminโ€™ny sehatry ny mangarahara, ny fahamarinana ary ny fitantanana mahomby ny raharaham-bahoaka.
Nandeha tao anatinโ€™ny toe-tsaina fifampitokisana sy fifanajana tanteraka ny fihaonana, ka nanokatra lร lana vaovao ho aminโ€™ny fiaraha-miasa maharitra sy mahasoa ho anโ€™ny roa tonta, ho fanamafisana ny rariny, ny fitantanana tsara ary ny fampandrosoana maharitra.
Nangonin’i Bevoamaso

Related Post

Ny Kolonely Ratsimandrava Richard

Posted by - fรฉvrier 11, 2024 0
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…

๐๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐ง`๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง`๐ง๐ฒ ๐‘๐ž๐ฉ๐จ๐›๐ฅ๐ข๐ค๐š ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’š ๐‘น๐’‚๐’‹๐’๐’†๐’๐’Š๐’๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐‘บ๐’๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’—๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’‰๐’๐’‚๐’Œ๐’‚

Posted by - juillet 13, 2024 0
๐๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐ง`๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง`๐ง๐ฒ ๐‘๐ž๐ฉ๐จ๐›๐ฅ๐ข๐ค๐š ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’š ๐‘น๐’‚๐’‹๐’๐’†๐’๐’Š๐’๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐‘บ๐’๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’—๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’‰๐’๐’‚๐’Œ๐’‚ – ๐—ก๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—น๐—ผ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฒ๐—น๐—ผ ๐—ต๐—ผ ๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ฃ๐—ฟ๐—ฎ๐—ถ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐˜† ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐˜๐—ผ ยซย Hiaro anareo amin`ny…