Nizeria dia nanao fanambarana ofisialy fa mbola tazoninโi Burkina Faso ireo miaramilany nogiazanโny manampahefana burkinabรจ, ary manomana fifampiraharahana ara-diplomatika izy ireo mba hangatahana am-pomba ofisialy ny famotsorana azy ireo sy ny famerenana ilay fiaramanidina nampiasaina taminโny fotoanโandrony
Niteraka resabe sy adihevitra manerana ny faritra ity raharaha ity, ary nanomboka hatrany am-boalohany dia efa naseho fa tsy misy lร lana hafa afa-tsy ny fifampiresahana mivantana ihany, satria tsy hivaly aminโny tsindry na fandrahonana mihitsy i Burkina Faso aminโizao fotoana izao.
Efa nolazaina izany : ny fifanarahana sy ny diplomatie no hany vahaolana. Raha mbola mieritreritra izy ireo fa hisy vahaolana aminโny alalanโny fanehoana hery na tsindry ara-tafika, dia diso toerana. Tsy firenena mora ampitahorina i Burkina Faso, indrindra aminโizao vanim-potoana ijoroanโny fitondrana aminโny tena fahaleovantenany izao, hoy hatrany ny Filoha Ibrahim Traorรฉ,
Nambarany tsy nihaotra fa tsy mitovy aminโi Benin i Burkina Faso. Tsy manaiky fandrahonana, tsy mijoro aminโny tsindry ara-miaramila, ary tsy ampitahorinโny fisehoan-kery na inona na inona. Tsy misy fandrahonana ara-tafika hahatonga azy hihemotra.
๐ก๐ ๐ต๐ฒ๐ฟ๐ ๐ป๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ป๐ ๐๐ฒ๐ป๐ถ๐ป ๐๐๐ ๐ฎ๐๐ผ ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ถ๐ป๐ฎ ๐บ๐ถ๐ต๐ถ๐๐๐ ๐ฎ๐๐ ๐๐๐ฟ๐ธ๐ถ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐๐ผ : ๐๐๐ ๐๐ฎ๐ต๐ผ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ ๐ป๐ ๐ฎ๐ผ, ๐๐๐ ๐๐ฎ๐ณ๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐, ๐๐๐ ๐๐ฎ๐ป๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐.
Burkina Faso, raha ny marina, dia firenena natsangana teo ambony fototry ny fahamendrehana sy ny fahatsarana fitondran-tena. Raha misy zavatra anjakanโny vahoaka burkinabรจ dia ny fitiavan-tanindrazana tsy voavidy vola sy ny fahafoizan-tena rehefa miantso ny firenena. Tsy hoe fitiavan-kery, fa fitiavana mametraka anโio firenena io ho tsy azo andairana aminโny tsindry.
Hita taratra izany aminโny feom-bahoaka, aminโny firaisankina, ary aminโny firindran’ny tafika, izay milaza mazava fa raha resaka fiandrianam-pirenena sy fanajana ny sisintany, dia tsy hiala aminโny toerany mihitsy ny Burkinabรจ.
Tsy hoe mankasitraka ny fisianโny ady na fifandonana ny vahoaka eto Burkina Faso , fa kosa tsy manaiky hitsabatsabahanโny hafa aminโny tany tsy azy.
Izay no antony lehibe aminโilay fianiananโny firenena hoe
ยซ ๐๐ ๐๐๐ญ๐ซ๐ข๐ ๐จ๐ฎ ๐ฅ๐ ๐ฆ๐จ๐ซ๐ญ, ๐ง๐จ๐ฎ๐ฌ ๐ฏ๐๐ข๐ง๐๐ซ๐จ๐ง๐ฌ ยป
Feon’ny Demokrasia – Burkina Faso




