Andriamena/Tsaratanàna: Nidina an-dalambe sy nitondra sora-baventy mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny boriboritany ny mpanao fihetsiketsena.
Nidina an-dalambe sy nitondra sora-baventy ny mpanao fihetsiketsena, izay mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa sy Rtoa lehiben’ny boriboritany any amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny marainan’ny Alakamisy faha 13 Novambra taona 2025 lasa teo, tokony tamin’ny folo ora tany ho any. Nanao ny fisoroahana mialoha ny mety hisian’ny fanakorotanana sy ny mpanararaotra ny mpitandro ny filaminana any an-toerana no nametraka ny sakana nalaky, teo anoloan’ny vavahady hidirana ny lapan’ny tanàna, saingy tafiditra tao ihany ireo mpanao fitakiana no nitondra fanehoan-kevitra hatrany.
Leo halabato tamin’ny fanafoanana ny biraom-pifidianana niisa efatra, nohon’ny hala-tsonia nataon’ireo » mpikambana ao anatin’ny birao fandantsam-bato » nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo no miampy fangalana vola mihoapampana nalain’ny lehiben’ny boriboritany tamin’ireo tantsaha mpiompy, fanaparitahana anton-taratasy ivelan’ny biraom-piasany ny mpanao fihetsiketsena.
Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nanome herinandro an’ireo mpanolotsain’ny kaominina mba hanao tatitra ara-bola amin’ny vahoaka izy ireo, ka raikitra amin’ny Alakamisy hoavy izao moa izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nanambara ampahibemaso ny Birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa manameloka tanteraka ny fanenjehana nataon’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona,…
Hatramin’izao fotoana hanoratana izao dia mbola ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny taratasy firotsahan-kofidian’ireo kandida ny OVEC Morondava satria tapatapaka foana…
Efa nanomboka tany amin’ny Repoblika faha-2 no nipoitra ny valifaty pôlitika » hoy ny solombavambahoaka Gascar Fenosoa raha nitondra ny fanehoan-keviny…