Andriamena, Tsaratanàna — Nidina an-dalambe ireo mponina naneho ny ahiahiny sy ny tsy fahafaham-pony,

298 0
Andriamena/Tsaratanàna: Nidina an-dalambe sy nitondra sora-baventy mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny boriboritany ny mpanao fihetsiketsena.
📌 Nidina an-dalambe sy nitondra sora-baventy ny mpanao fihetsiketsena, izay mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna am-perinasa sy Rtoa lehiben’ny boriboritany any amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny marainan’ny Alakamisy faha 13 Novambra taona 2025 lasa teo, tokony tamin’ny folo ora tany ho any. Nanao ny fisoroahana mialoha ny mety hisian’ny fanakorotanana sy ny mpanararaotra ny mpitandro ny filaminana any an-toerana no nametraka ny sakana nalaky, teo anoloan’ny vavahady hidirana ny lapan’ny tanàna, saingy tafiditra tao ihany ireo mpanao fitakiana no nitondra fanehoan-kevitra hatrany.
📌 Leo halabato tamin’ny fanafoanana ny biraom-pifidianana niisa efatra, nohon’ny hala-tsonia nataon’ireo  » mpikambana ao anatin’ny birao fandantsam-bato  » nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo no miampy fangalana vola mihoapampana nalain’ny lehiben’ny boriboritany tamin’ireo tantsaha mpiompy, fanaparitahana anton-taratasy ivelan’ny biraom-piasany ny mpanao fihetsiketsena.
📌 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nanome herinandro an’ireo mpanolotsain’ny kaominina mba hanao tatitra ara-bola amin’ny vahoaka izy ireo, ka raikitra amin’ny Alakamisy hoavy izao moa izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

Related Post

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…

FAMPIELEZAN-KEVITRA 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐈𝐇𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀

Posted by - mai 10, 2024 0
𝐄𝐟𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 19 𝐓𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚,…