Trangam-piaraha-monina Antsirabe : Fanampoizinana ara-tsakafo.

106 0

Fianakaviana efa-mianaka no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny fokontany Ambohidrano kaominina ambonivohitra Antsirabe ny sabotsy teo.Taorian’ny fihinanana “compose” ny folak’andron’io sabotsy io dia nitovy ny soritr’aretina azy efa-mianaka ka namonjy ny toeram-pitsaboana lehibe tsy miankina iray eto Antsirabe ny alahady.Rehefa natao ny “analyse” rehetra mahakasika ny fototr’aretina dia tsy nomena an’ireo fianakavian’ny marary ny valin’izany.

”Valiteny boribory no azonay avy amin’ny tompon’andraikitr’ity toeram-pitsaboanaity” hoy ny nambaran’ny fianakaviana.Nalefa nody androany anefa ny iray tamin’ireo marary ary mahatsapa ny fianakaviany fa tsy mbola tena feno ny fahasalamany.Izany indrindra no anaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra mahakasika ity tranga ity satria ny saran’ny fanafody sy ny fizahana ary ny “analyse” samihafa tsy maintsy naloa nefa ny fotrory ny aretina sy ny valin’ny “analyse” tsy nomena azy ireo.

Nangonin’i Jaames Antsirabe

Related Post

NAKOTROKA NY FANKALAZANA NY TAOM-BAVAO MALAGASY TATY AMIN’NY FARITRA ALAOTRA MANGORO

Posted by - mars 12, 2024 0
𝐍𝐀𝐊𝐎𝐓𝐑𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐌-𝐁𝐀𝐕𝐀𝐎 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐋𝐀𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐎𝐑𝐎 — 👉Nankalaza ny taom-baovao Malagasy ny taty amin’ny Faritra…

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…