ZAVAMANITRA ANDRIAMIHARIVOLAMENA- Filohan’ny antoko AVI sady Solombavam- bahoaka voafidy tao Fandriana

25 0
👉Tsy hisy fanovana tena izy izany raha tsy misy ny Lalàna momba ny Tetibola mifanandrify amin’izay zava-misy marina sy ny filan’ny vahoaka
👉Araka ny andininy faha-75 amin’ny Lalàmpanorenana, dia mandritra ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity no tokony handaniana ny Lalàna momba ny Tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2026 (Loi des Finances Initiale 2026).
Tsy mora ny manao izany, satria betsaka ny zavatra mila harenina. Mitaky fandinihana lalina sy fotoana ampy, fa tsy tokony hatao maimaika toy ny efa zary fomba fanao hatrizay.
👉Araka ny andininy faha-92 amin’io Lalàmpanorenana io ihany, iray volana monja no anananay ao amin’ny Antenimieram-pirenena hanaovana fandinihana (première lecture) sy fandaniana ny tetibolam-panjakana, manomboka amin’ny daty hanoloran’ny governemanta azy. Aorian’izay, 15 andro indray no ananan’ny Antenimieran-doholona hanatanterahana ny fandinihana.
👉Izany rehetra izany dia tsy maintsy vita alohan’ny fiafaran’ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity, izay ho tapitra sahady afaka roa volana latsaka.
👉Noho izany dia mila fandraisana andraikitra hentitra sy haingana izao fotoana izao :
👉Tokony hatsangana faran’izay haingana ny governemanta, mba hahafahany manomana sy manolotra ara-dalàna ny tetibolam-panjakana 2026 amin’ny Antenimiera.
👉Tokony ho tafapetraka haingana koa ireo Birao maharitra amin’ny Antenimiera roa tonta, mba hahafahanay olom-boafidy miasa am-pitoniana sy am-pahombiazana.
👉Raha ny Lalàmpanorenana no itondrantsika ny firenena, dia tokony atao laharam-pahamehana ny fandaniana ny Lalàna momba ny Tetibolam-panjakana 2026, araka ny voalazan’ny lalàna rehetra manan-kery.
Izaho mino fa azo atao tsara ny manatanteraka izany raha samy maneho fahavononana sy finiavana ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ka samy mijoro ho amin’ny tsaratsara kokoa.
‼️Izaho, amin’ny maha Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Fandriana ahy, dia miezaka hatrany hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra napetraky ny vahoaka amiko.
Izay no nifidianannareo ahy, ary izay no anakaramana ahy amin’ny alalan’ny hetra aloan’ny Malagasy tsirairay : ny hiasa ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy iray manontolo.
Sahia manova !
Zavamanitra Andriamiharivolamena

Related Post

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 – 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐬𝐢𝐩𝐚𝐥𝐲.

Posted by - septembre 4, 2024 0
Nisy ny sehatra nifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora eto Antsirabe Ambonivohitra androany 02 septambra.…

𝗙𝗜𝗛𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗛𝗢 𝗥𝗔𝗬 𝗔𝗠𝗔𝗡-𝗗𝗥𝗘𝗡𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗢𝗟𝗢𝗡𝗔

Posted by - mars 21, 2024 0
✅Noho ny fangatahana fihaonana manokana tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, nataon’ireo milaza ho mivondrona ao amin’ny « 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑹𝒂𝒚 𝒂𝒎𝒂𝒏-𝒅𝒓𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒓𝒂-𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚…