ZAVAMANITRA ANDRIAMIHARIVOLAMENA- Filohan’ny antoko AVI sady Solombavam- bahoaka voafidy tao Fandriana

331 0
👉Tsy hisy fanovana tena izy izany raha tsy misy ny Lalàna momba ny Tetibola mifanandrify amin’izay zava-misy marina sy ny filan’ny vahoaka
👉Araka ny andininy faha-75 amin’ny Lalàmpanorenana, dia mandritra ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity no tokony handaniana ny Lalàna momba ny Tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2026 (Loi des Finances Initiale 2026).
Tsy mora ny manao izany, satria betsaka ny zavatra mila harenina. Mitaky fandinihana lalina sy fotoana ampy, fa tsy tokony hatao maimaika toy ny efa zary fomba fanao hatrizay.
👉Araka ny andininy faha-92 amin’io Lalàmpanorenana io ihany, iray volana monja no anananay ao amin’ny Antenimieram-pirenena hanaovana fandinihana (première lecture) sy fandaniana ny tetibolam-panjakana, manomboka amin’ny daty hanoloran’ny governemanta azy. Aorian’izay, 15 andro indray no ananan’ny Antenimieran-doholona hanatanterahana ny fandinihana.
👉Izany rehetra izany dia tsy maintsy vita alohan’ny fiafaran’ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity, izay ho tapitra sahady afaka roa volana latsaka.
👉Noho izany dia mila fandraisana andraikitra hentitra sy haingana izao fotoana izao :
👉Tokony hatsangana faran’izay haingana ny governemanta, mba hahafahany manomana sy manolotra ara-dalàna ny tetibolam-panjakana 2026 amin’ny Antenimiera.
👉Tokony ho tafapetraka haingana koa ireo Birao maharitra amin’ny Antenimiera roa tonta, mba hahafahanay olom-boafidy miasa am-pitoniana sy am-pahombiazana.
👉Raha ny Lalàmpanorenana no itondrantsika ny firenena, dia tokony atao laharam-pahamehana ny fandaniana ny Lalàna momba ny Tetibolam-panjakana 2026, araka ny voalazan’ny lalàna rehetra manan-kery.
Izaho mino fa azo atao tsara ny manatanteraka izany raha samy maneho fahavononana sy finiavana ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ka samy mijoro ho amin’ny tsaratsara kokoa.
‼️Izaho, amin’ny maha Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Fandriana ahy, dia miezaka hatrany hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra napetraky ny vahoaka amiko.
Izay no nifidianannareo ahy, ary izay no anakaramana ahy amin’ny alalan’ny hetra aloan’ny Malagasy tsirairay : ny hiasa ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy iray manontolo.
Sahia manova !
Zavamanitra Andriamiharivolamena

Related Post

𝗛𝗔𝗙𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’I 𝗝𝗘𝗡𝗘𝗥𝗔𝗟𝗬 𝗥𝗔𝗩𝗔𝗟𝗢𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔

Posted by - octobre 3, 2025 0
𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗘𝗠𝗔𝗛𝗔𝗩𝗔𝗧𝗥𝗦𝗘 𝗘𝗟𝗔𝗛𝗜𝗦𝗔𝗢𝗥𝗘 ; 𝗖𝗼𝗻𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝗻𝘁 𝗲𝗻 𝗱𝗲́𝘃𝗲𝗹𝗼𝗽𝗽𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗦𝗼𝗰𝗶𝗼 𝗘𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗾𝘂𝗲 : 𝑨𝒛𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒂𝒃𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒇𝒂𝒏𝒈𝒂𝒓𝒐…

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…