Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanakohoaka nandritra ny tolona

23 0
Maevatanàna an-tampon-tanàna: Nanakohoaka nandritra ny tolona nisy teny amin’ny  » Rond point,  » eo akaikin’ny kianjan’ny 29 Marsa ny teny manao hoe: miala Rajoelina.
👉 Tamin’ny telo ora tolakandro no efa hita teny amin’ny  » Rond point  » eo akaikin’ny kianjan’ny 29 Marsa ny Groupe Révolutionnaire eto Maevatanàna, izay niaraka tamin’ireo andian-tanora namaly ny antso amin’ny fanamafisana ny tolona efa misy ao Antananarivo, ary ny any amin’ny faritra hafa.
👉 Niara-niombona halahelo tamin’ireo olona namoy ny ainy sy ireo naratra nandritra ny tolona nisy ny Révolutionnaires, sady nitondra teny fisaorana tamin’ny fihetsika nasehoan’ireo miaramila avy ao amin’ny  » CAPSAT. « 
👉 Nanakohako nandritra ny tolona ny teny manao hoe: miala Rajoelina no nanamafy hatrany ireto farany, fa fotoana tokony hijoroan’ny rehetra amin’izay izao, amin’ny famongorana ny zavatra tsy mety natao tamin’ny mponina, tao anatin’ny taona maro izay. Nanentana hatrany izy ireo fa mitohy ny tolona, saingy tsy mbola voafaritra ny andro hanohizana izany hoan’ny eto Maevatanàna raha ny angom-vaovao voaray. Efa tazana teny an-toerana ihany koa ny mpitandro ny filaminana, nijery ny mety hisian’ny fandrobana sy fananaraotana.
👉 Nofaranan’ireo Groupe Révolutionnaire eto Maevatanàna sy ny andian-tanora tamin’ny alalan’ny dian-tongotra sy fitsofana kiririoka nihodina niverina teo amin’ny fokontany Morafenokely ny hetsika.

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…