๐—ก๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—ง๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—™๐—ถ๐—น๐—ผ๐—ต๐—ฎ ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐˜† ๐—ฅ๐—ฎ๐—ท๐—ผ๐—ฒ๐—น๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—™๐—™๐—ž๐— 

44 0

Nandray ireo Filoham-piangonana mpikambana ao aminโ€™ny Fikambananโ€™ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) ny Filohanโ€™ny Repoblika, Andry Rajoelina, omaly. Araka ny fanazavanโ€™ny Filoha, dia nangataka fihaonana manokana taminโ€™ny Fitondram-panjakana ireo mpitarika ara-panahy, noho ny fahasahiranana sy ny fisaintsainana lalina entinโ€™ny toe-draharaha iainanโ€™ny firenena aminโ€™izao fotoana izao.

Nampitainโ€™ny FFKM taminโ€™ny Filoham-pirenena ny ahiahy sy ny faniriany hikarakarana marimaritra iraisana, manoloana ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika mihanaka. Nasehonโ€™izy ireo fa tsy afaka ny hangina eo anatrehanโ€™ny olana mianjady aminโ€™ny vahoaka ny Fiangonana, satria antsoinโ€™ny andraikitra maha-ray aman-dreny ara-panahy azy ireo.

Nandritra ny resadresaka, nilaza ny Filohanโ€™ny Repoblika fa vonona hihaino sy handray soso-kevitra avy aminโ€™ireo solontenanโ€™ny FFKM ny Fitondram-panjakana. Nambarany ihany koa fa ilaina ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana aminโ€™ny rehetra, indrindra ireo hery mpanara-maso ara-panahy, mba hahitana vahaolana maharitra sy hahafahana mitondra fitoniana indray ho anโ€™ny firenena.

Araka ny loharanom-baovao, mbola hisy fihaonana hafa aminโ€™ny manaraka hanohizana ity fifampidinihana ity, mba hamaritana mazava kokoa ny paikady sy ny fandraisana andraikitra.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post