Nisy ny fihaonan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety sy ny Emmonat

71 0

Antananarivo, 2 Oktobra 2025 — Taorian’ny hetsika nataon’ireo mpanao gazety omaly, manoloana ny tranga herisetra nihatra tamin’izy ireo raha nidina an-tsehatra nanatanteraka ny asany nandritra ny fihetsiketsehana an-dalambe, dia nisy ny fihaonana manokana androany teny amin’ny Havoria Anosy.

Tonga nanatrika izany ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM), ireo filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety, ary ny mpitarika ny Emmonat. Nampitaina sy noraisin’ireo mpitondra tenin’ny Emmonat ny fitakiana sy ny hetahetan’ireo mpanao gazety. Andrasana amin’izao fotoana izao ny valin-teny avy amin’izy ireo ao anatin’ny fotoana fohy.

Ankoatra izany, dia nifanarahana ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao gazety. Vondrona roa lehibe ireo, samy manana ny andraikitra sy ny andraikiny, saingy misy sehatra tsy maintsy iarahana miasa ho tombontsoan’ny firenena.

Tsiahivina fa efa nisy ny fifanarahana na “Convention” nosoniavina teo amin’ny roa tonta tamin’ny taona 2018, ary tanjona amin’izao fotoana izao ny fampiharana tanteraka izany.

Related Post

NAKOTROKA NY FANKALAZANA NY TAOM-BAVAO MALAGASY TATY AMIN’NY FARITRA ALAOTRA MANGORO

Posted by - mars 12, 2024 0
𝐍𝐀𝐊𝐎𝐓𝐑𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐌-𝐁𝐀𝐕𝐀𝐎 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐋𝐀𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐎𝐑𝐎 — 👉Nankalaza ny taom-baovao Malagasy ny taty amin’ny Faritra…