TONDRA-DRANO MAHAFATY NAMELY NY HIMALAYA

229 0

Himalaya, India – 6 Aogositra 2025
Nandravarava ny tanàna ny fotaka, tsy vitsy ireo namoy namoy ainy, ary nanjavona tao anaty fotaka ny ankabeazan’ny tanana.

Ny Alatsinainy 5 Aogositra 2025, no nitranga ity loza voajanahary tampoka no namely ny tanàna kely Dharali ity, ao amin’ny distrikan’i Uttarkashi, fanjakana Uttarakhand any avaratr’i India. Vokatry ny « cloudburst » — orambe tampoka mahery vaika any amin’ny faritra be tendrombohitra — dia nitondra tondra-drano sy fotaka be nanafotra sy nandrava izay rehetra teny an-dalana. Raha araka ny tati-baovao avy any an-toerana dia manodidina ny 4 hatramin’ny 5 no maty voamarina hatreto, 50 mahery no mbola tsy hita, anisan’izany ny miaramila 11 tao amin’ny toby miaramila Harsil ary Trano, làlana, tambajotra herinaratra sy fifandraisana maro manera ny tanana no simba tanteraka.

Fantatra fa  olombelona maherin’ny 130 no efa voavonjy ary napetraka  amin’ny toerana azo antoka.

Tsy vao izao no nisian’ny loza tahaka izao tany Uttarakhand. Tamin’ny 2013, dia olona an’arivony no maty tamin’ny tondra-drano mitovy amin’ity. Araka ny tatitry ny manampahaizana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, mitombo isa sy fahavoazana ireo loza mitranga amin’ny Himalaya noho ny:

  • Fihotsahan’ny ranomandry haingana (glacier melt)
  • Fiakaran’ny maripana sy fiovaovan’ny monsoon
  • Fanorenana be loatra tsy mandinika loza ara-jeôlôjika

Tsy miraviravy tanana anefa ny Mpitondra fanjakana any an-toerana fa  efa nidina ifotony  ka mampiasa ireo fitaovana eo am-pelatanana toy  drones, alika mpikaroka, ary fitaovana fanapariahana hafatra satelita entina hamonjena ny vahoaka sy hikarohana ireo mbola tsy hita.

Araka ny fanamarihana nataon’ny Mpandinika any an-toerana ihany dia ity no iray amin’ireo tranga mafy  miseho tato anatin’ny taona vitsivitsy, manamarina fa miparitaka sy mitombo hatrany ny risika amin’ireo faritra avo toy ny Himalaya, noho ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Reported by Habib Abdou Wyatt

Related Post

𝐌𝐀𝐎𝐑𝐈𝐒𝐘 : 𝐍𝐚𝐭𝐬𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐡𝐚𝐦𝐛𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐂𝐨𝐦𝐦𝐞𝐫𝐜𝐞

Posted by - décembre 8, 2025 0
Tontosa ny 07 Desambra 2025 tao Beau-Bassin ny fihaonana ofisialy voalohany nataon’ny 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐨𝐫𝐢𝐬𝐲, ka nanamarika dingana vaovao…