๐€๐๐“๐’๐ˆ๐‘๐€๐๐€๐๐€: ๐๐š๐ฌ๐ž๐ก๐จ ๐ญ๐ž๐จ ๐š๐ฆ๐›๐š๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐ž๐ฏ๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐™๐š๐ณ๐š๐ฏ๐š๐จ ๐€๐ง๐ญ๐จ๐ค๐จ-๐ญ๐š๐จ๐ง๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“/๐Ÿ

107 0
Antsiranana, 2 Aogositra 2025 โ€” Nofaranana tamim-pomba manetriketrika sy lanonana feno hasina ny fotoam-pamaranana ny dingana voalohany aminโ€™ny fanofanana ho anโ€™ireo zazavao antoko-taona andiany 2025/1 ao aminโ€™ny Tafika Malagasy. Tontosa tao aminโ€™ny Tobim-pamaharanโ€™ny Tafika an-dranomasina ยซย Contre-Amiral SIBON GUY Albertย ยป eto Antsiranana ny lanonana.
Ireo miaramila tanora avy aminโ€™ny sampana telo lehibe โ€” Tafika an-dranomasina, Tafika an-tanety, ary ny Tafika an-dranomasina miady an-tanety (2รจme BIMA) โ€” no naseho ampahibemaso teo ambany faneva. Manodidina ny 161 mirahalahy no nandraisana anjara taminโ€™ity andiany ity:
60 avy aminโ€™ny Base Navale dโ€™Antsiranana (BANA),
52 avy aminโ€™ny Bataillon Infanterie Antsiranana (BIA),
49 avy aminโ€™ny Deuxiรจme Bataillon dโ€™Infanterie Marine (2รจme BIMA).
Nitarika ny lanonana ireo manamboninahitra ambony, ka isanโ€™izany:
Capitaine de Vaisseau RAMORASATA Gislain, Komandinโ€™ny BANA,
Kolonely RATSIMBAZAFY Dimbiniaina Henintsoa, Komandinโ€™ny BIA,
Capitaine de Vaisseau ANDRIAMANANTENA Jean Christian, Komandinโ€™ny 2รจme BIMA.
Tonga nanome voninahitra manokana ihany koa ny Jeneraly JAOTIANA Fernand, Komandinโ€™ny Fari-piarovana sy Filaminana Ankarana, niaraka taminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra hafa avy aminโ€™ny hery mitam-piadiana sy solontenam-panjakana, anisan’izany i ANDRIAMAMONJISOA Jean Marc, solontena avy amin’ny Governoran’ny faritra Diana, ary ny Lehiben’ny Distrika Antsiranana II.
Fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana
Nomena mari-pankasitrahana manokana ireo miaramila mendrika, nahavita tamim-pahavononana sy fitondran-tena tsara ny fanofanana. Voatendry ho Soldat de Premiรจre Classe sy Matelot de Premiรจre Classe ireo voalohany nisongadina avy amin’ny andiany tsirairay.
Tsara marihina fa maharitra 24 volana ny fanompoam-pirenena aminโ€™ny ankapobeny, ary aminโ€™ny fiafaranโ€™izany no anolorana ny ยซย Certificat de bonne conduiteย ยป, ho fanehoam-boninahitra sy fankasitrahana aminโ€™ny fanompoana am-pahamendrehana anโ€™i Madagasikara.

Related Post

๐—™๐—œ๐—ง๐—ข๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ฅ๐—”-๐——๐—ฅ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—”

Posted by - juin 16, 2025 0
๐“๐ฌ๐ฒ ๐ž๐ค๐ž๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ฃ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ฆ๐›๐š๐ง-๐๐ซ๐š๐ณ๐š๐ง๐š ๐ค๐š๐ฌ๐š๐ข๐ง’๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ก๐š๐ง๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ค๐š ๐š๐จ ๐๐ž๐ฅ๐จ ๐ฌ๐ฎ๐ซ ๐“๐ฌ๐ข๐ซ๐ข๐›๐ข๐ก๐ข๐ง๐š Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…