๐— ๐—”๐—˜๐—ฉ๐—”๐—›๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ก๐—” ๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—”๐—ก๐——๐—ฌ – ๐—ฉ๐—ข๐—ž๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—ง๐—”๐—•๐—œ๐—”, ๐— ๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—ง๐—ข๐— ๐—•๐—ข ๐—™๐—œ๐—›๐—”๐—ฅ๐—œ๐—”๐—ก`๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—”๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—”๐—›๐—”

110 0
Fotoana mahavokatra vokatra voatabia na tomate maintany izao. Miantoka fiharian`ny mponina ao Maevahalana moa izy ity noho ny fisian`ny velaran-tany manamorona renirano. Nikarakara festival tomate rahateo ny vahoaka ho fanomezan-danja ny vokatry ny tantsaha. Efa andiany faharoa tanterahana izao. Betsaka ny filan`ny mpamokatra eo amin`ny sehatry ny fambolena toy ny fisitrahana zezika sy teknikam-pambolena maha matihanina. Ankoatra izay, tsy mahasana toerana maro ny fanjifana ny vokatra fa mijanona anatin`ny kaominina satria mbola betsaka ireo manafatra kesiika voadabia avy ivelan`ny distrikan`i Mandritsara. Inoana fa ho velombolo ireo tantsaha raha misy koperativa manokana miahy amin`ny famokarana. Mipetraka ho ambin`asamin`ny sasany ny voly vokatra ity fa tsy tena asa maharitra.
Mety hitondra vokatsoa ny fanotronan`ny solontenam-panjakana sy ny olom-boafidy amin`ny festival Tomaty ao Maevahalana kaolinina Kalandy distrikan`i Mandritsara ity androany. Nisantarana izany ny fitonanana fotodrafitrasa fivarotana voatabia izay ao an-toerana.
๐—ก๐—ฎ๐—ป๐—ด๐—ผ๐—ป๐—ถ๐—ป`๐—จ๐—ป๐—ถ ๐—ฅ๐—ฎ๐˜‡

Related Post