Nandray andraikitra vonjimaika ny Praiminisitra Ntsay Christian
Tsy niandry ela ny famindram-pitantanana taorianโny fanesorana tampoka anโi Ramonjavelo Valรฉry, minisitry ny Fitaterana teo aloha Ny alinโny 29 Jolay 2025 no nivoaka taminโny fomba รดfisialy ny didim-panjakana nanala azy taminโny toerany.
Tsy mbola nambaranโny manampahefana mazava hatreto ny antony nahatonga izany fanapahan-kevitra tampoka izany.
Anio Alarobia 30 Jolay ihany, dia notanterahina ny fanolorana sy fandraisana andraikitra, izay notarihinโny Praiminisitra Ntsay Christian.
Izy ihany koa no mandray vonjimaika ny fitantanana mivantana ny minisiteranโny Fitaterana โ sehatra stratejika mandrindra ny fifamoivoizana an-tanety, an-dranomasina ary anโhabakabaka, sady miandraikitra ny fanaraha-maso ny toetrandro sy ny vinavina ara-potoana.
Araka ny loharanom-baovao avy eo anivonโny Primatiora, ยซย tanjona voalohany aminโizao famindram-pitantanana izao ny fametrahana fitoniana, ny fanohizana ny asa stratejika efa natomboka, ary ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana, indrindra ao anatinโizao vanim-potoana ahitana adidy maro goavana ho anโny governemanta izao.ย ยป
Miandry ny fanendrena aminโny fomba รดfisialy ny minisitra vaovao hitondra tanteraka ity sampandraharaham-panjakana lehibe sy manan-danja ho anโny firenena ity ny mpanara-baovao
Nangonin’Lay Mahitsy