π…πšπ¦π’π§ππ«πšπ¦-𝐩𝐒𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π² πŒπ’π§π’π¬π’π­πžπ«πšπ§β€™π§π² π…π’π­πšπ­πžπ«πšπ§πš

284 0
Nandray andraikitra vonjimaika ny Praiminisitra Ntsay Christian
Tsy niandry ela ny famindram-pitantanana taorian’ny fanesorana tampoka an’i Ramonjavelo ValΓ©ry, minisitry ny Fitaterana teo aloha Ny alin’ny 29 Jolay 2025 no nivoaka tamin’ny fomba Γ΄fisialy ny didim-panjakana nanala azy tamin’ny toerany.
Tsy mbola nambaran’ny manampahefana mazava hatreto ny antony nahatonga izany fanapahan-kevitra tampoka izany.
Anio Alarobia 30 Jolay ihany, dia notanterahina ny fanolorana sy fandraisana andraikitra, izay notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Izy ihany koa no mandray vonjimaika ny fitantanana mivantana ny minisiteran’ny Fitaterana β€” sehatra stratejika mandrindra ny fifamoivoizana an-tanety, an-dranomasina ary an’habakabaka, sady miandraikitra ny fanaraha-maso ny toetrandro sy ny vinavina ara-potoana.
Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Primatiora, « tanjona voalohany amin’izao famindram-pitantanana izao ny fametrahana fitoniana, ny fanohizana ny asa stratejika efa natomboka, ary ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana, indrindra ao anatin’izao vanim-potoana ahitana adidy maro goavana ho an’ny governemanta izao.Β Β»
Miandry ny fanendrena amin’ny fomba Γ΄fisialy ny minisitra vaovao hitondra tanteraka ity sampandraharaham-panjakana lehibe sy manan-danja ho an’ny firenena ity ny mpanara-baovao
Nangonin’Lay Mahitsy

Related Post

π”½π•€π•‹π•Šπ”Έβ„π”Έβ„•π”Έ, ℕ𝕐 𝕆𝕃𝔸ℕ’ℕ𝕐 𝔹𝕆𝕂𝕐 ℝ𝕆𝕍𝕀𝕋ℝ𝔸

Posted by - avril 17, 2024 0
𝐀𝐨 πšπ§πšπ­π’π§β€™π§π² 𝐞𝐳𝐚𝐀𝐚 𝐒𝐳𝐚𝐲 π’π¦πšπ¬π¨πšπ§β€™π§π² πŒπ’π§π’π¬π­πžπ«πšπ§β€™π§π² π…π’π­π¬πšπ«πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐚𝐟𝐒-𝐩𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐀𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨π₯𝐚𝐧𝐚 πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲, 𝐒𝐧𝐝𝐫𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐒𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲…