FAHAMAIZAN’NY TSENA ASABOTSY, GOAVANA NY FAHAVOAZANA (Antsirabe 1)

113 0

Hatairana sy alahelo ny an’ireo mpivarotra ao an-tsenan’ Asabotsy eto Antsirabe Ambonivohitra raha nahita ny toeram- pivarotana nirehitra. Kila forehitra ny ankabeazan’ny trano fivarotana. Lasa lavenona ny entana tavela tao.

Niredareda avy amin’ny ilany atsimon’ny tsena ny afo araka ny voalazan’ny nanatri- maso. Tsy fantatra mazava hatreto ny fototry ny firehetana. Tazana teny an- toerana nanao fanadihadihana ny Zandary androany. Ary noraisina an- tanana halaina am- bavany ilay olona Tompon’ny fivarotana niavian’ny afo.

Betsaka ny olona mivelona amin’ny varotra ao an- tsena Asabotsy. Fanirian’izireo araka ny nambarany ny hijanona ao hanohy ny asa fitadiavana. Ka miandry vahaolana avy amin’ny mpitantana ny tanàna.

Araka izany, irariana ho tafatsangana haingana ny tsena Asabotsy. Mankahery ireo niharam- boina.

✍️Haja

22/07/25

Related Post

𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐉𝐀𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - juillet 30, 2025 0
‎𝑻𝑶𝑵𝑻𝑶𝑺𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑨𝑴𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑻𝑨𝑵𝑻𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑻𝑬𝑶 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑴𝑷𝑰𝑺𝑶𝑳𝑶 𝑻𝑶𝑬𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑺𝒀 𝑵𝒀 𝑻𝑨𝑳𝑬 𝑽𝑶𝑨𝑻𝑬𝑵𝑫𝑹𝒀 ‎‎ ‎ Andriamatoa ANDRIAMAHATANA Joëlis Charlis, ho…

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…