πππ―π-πππ¨π―ππ¨ ππ¨ π
ππ«ππππ§π ππ§π!
π
π’π‘ππ¨π§ππ§π ππ¨ππ₯π¨π‘ππ§π² πππ¦π’π§’π§π² πππ‘π’πππ§’π§π² πππ§πππ«π² πππ¨π―ππ¨ β πππ¬π’π¦π¨ πππ¬π’π§ππ§ππ§π
—

Nitondra fanantenana sy fepetra hentitra ho anβny fandriampahalemana i Lieutenant-Colonel Kotomanjarisoa Manjary, Lehibenβny Zandary vaovao teto aminβny Faritra Atsimo Atsinanana, nandritra ny fihaonana voalohany nataony taminβireo zandary mpibaiko avy aminβny toby samihafa ao aminβny faritra.
Nandritra ity fihaonana manokana ity, dia nanome toromarika mazava sy hentitra ny Lehibenβny Zandary, mikasika ny fomba fiasa sy paikady vaovao entina hanamafisana ny ady aminβny tsy fandriampahalemana, izay mbola manelingelina ny fiainanβny mponina aminβny toerana sasantsasany.

Tafiditra ao anatinβizany ny fanamafisana ny fisafoana, fanatsarana ny tambajotra fifandraisana eo aminβny andrim-piarovana sy ny vahoaka, ary fandrindrana hentitra kokoa aminβireo vondrona miandraikitra ny filaminam-bahoaka.
Nanambara i Lt Col Kotomanjarisoa fa βtsy maintsy miverina aminβny laoniny ny filaminana, ary andraikitry ny zandary ny mitondra izany ho zava-misy. Mila fiaraha-mientana sy fandraisana andraikitra hentitra avy aminβny rehetra izany.β