Zava-baovao ao Farafangana | mitondra paikady hentitra hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ny Zandary

213 0
π™πšπ―πš-π›πšπ¨π―πšπ¨ 𝐚𝐨 π…πšπ«πšπŸπšπ§π πšπ§πš!
π…π’π‘πšπ¨π§πšπ§πš π•π¨πšπ₯𝐨𝐑𝐚𝐧𝐲 π“πšπ¦π’π§’𝐧𝐲 π‹πžπ‘π’π›πžπ§’𝐧𝐲 π™πšπ§ππšπ«π² π•πšπ¨π―πšπ¨ – 𝐀𝐭𝐬𝐒𝐦𝐨 π€π­π¬π’π§πšπ§πšπ§πš
πŸ—“οΈ Farafangana, 4 Jolay 2025
Nitondra fanantenana sy fepetra hentitra ho an’ny fandriampahalemana i Lieutenant-Colonel Kotomanjarisoa Manjary, Lehiben’ny Zandary vaovao teto amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, nandritra ny fihaonana voalohany nataony tamin’ireo zandary mpibaiko avy amin’ny toby samihafa ao amin’ny faritra.
Nandritra ity fihaonana manokana ity, dia nanome toromarika mazava sy hentitra ny Lehiben’ny Zandary, mikasika ny fomba fiasa sy paikady vaovao entina hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, izay mbola manelingelina ny fiainan’ny mponina amin’ny toerana sasantsasany.
🎯 Paikady mazava, tanjona tokana: ny hanjakazakan’ny fandriampahalemana maharitra amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fisafoana, fanatsarana ny tambajotra fifandraisana eo amin’ny andrim-piarovana sy ny vahoaka, ary fandrindrana hentitra kokoa amin’ireo vondrona miandraikitra ny filaminam-bahoaka.
Nanambara i Lt Col Kotomanjarisoa fa β€œtsy maintsy miverina amin’ny laoniny ny filaminana, ary andraikitry ny zandary ny mitondra izany ho zava-misy. Mila fiaraha-mientana sy fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny rehetra izany.”

Related Post

π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

Posted by - fΓ©vrier 20, 2024 0
π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – 𝐍𝐒𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 π­π¨π¦π›πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞π₯πšπ›πžπ₯𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐟𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐭𝐲  …