ANOSIBE | FAHATAM-PAHAN-JIRO LAVARENY : RAIKITRA NY DORO KODIARANA HO FANEHOANA HATEZERA

139 0
Anosibe, Antananarivo — Tsy voafehy intsony ny hatezeran’ny mponina manoloana ny fahatapahan-jiro lavareny izay namely an’i Antananarivo sy faritra maro manerana an’i Nosy. Tao Anosibe, indrindra manoloana ny tsena Anosibe, dia nivadika ho hetsika an-dalambe sy fanehoan-kevitra feno fahatezerana izany tamin’ity hariva ity, « Alahady 15 Jona 2025. »
Nobahanan’ny vahoaka ny arabe, raikitra ny tsoka kiririoka, ary nandoro kodiarana teny an-dalana izy ireo, ho fanehoana am-pahibemaso ny fahasosorany. Tsy nitsitsy teny izy ireo raha nikiakiaka mafy hoe: “JIRAMA! JIRAMA! AVERENO NY JIRONAY!!”
Hatramin’ny ora nanoratana ity lahatsoratra ity, dia tsy mbola nisy mpitandro filaminana na fepetra hentitra noraisina hanalefahana ny toe-draharaha. Nihamafy izany raha jerena ny fahasorenan’ny mponina miaina ao anaty haizina sy fahatapahan-drano, izay miteraka fikorontanana amin’ny asa fivelomana sy ny fiainana andavanandro.
“Nisahotaka izahay, niverimberina niverina an-dalana satria tsy afaka nandroso intsony ny fiara,” hoy ny mpamily fiarakaretsaka iray izay nanatri-maso ny zava-nitranga.
Fehiny, miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka andavan’andro ny Jiro sy rano ka tokony tsy ataon’ny Mpitondra ambanin-javatra ny fijerena izany olana izany, zava-dehibe tokony ho laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny famahana an’ity olana maharitra sy miverimberina ity.
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲

Posted by - juillet 16, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 (𝖬𝖺𝗇𝖺𝗈 𝖾𝗓𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝗄𝖺𝗈𝗆𝗂𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗆𝖻𝗈𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗅𝖺𝗅𝖺𝗇𝖺) ✦ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny…