HOPITALY MIARAMILA ANTSIRANANA : NAHAZO FAMPITAOVANA AVY AMIN’NY LIONS CLUB INTERNATIONAL.

99 0
Nanolotra fitaovam- pitsaboana ho an’ny Hopitaly Miaramila ( HOMI) eto Antsiranana ny Fikambanana « Lions Club International « , eto Antsiranana izay tarihin’ny Filoha Docteur BARIVELO Diazan.
« Échographie » ( 1) na fitaovam- pizahana fahasalamana , sy fanafody maro isan- karazany miisa 19 « carton  » entina hitsaboana ny marary no natolotra androany Zoma 06 Jona 2025.
Tsy hijanona amin’izao ny fiaraha- miasa eo amin’ny Lions Club International sy ny HOMI eto Antsiranana hoy ny fanazavan’ny Filohan’ny Lions Club eto an- toerana fa mbola hifohy hatrany.
Manana olana amin’ny herinaratra ( JIRAMA ) anefa ity hopitaly ity , indrindra amin’izao fahatapatapahan’ny Herinaratra izao satria mbola miankin- doha amin’ny JIRAMA hatreto.

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲

Posted by - octobre 25, 2025 0
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐋𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐨𝐚𝐫𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐒𝐢𝐚𝐧𝐭𝐢𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐓𝐨𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐝𝐢𝐧𝐭𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 —-…