TOAMASINA : Ao anatin’ny tanjany tanteraka ny antoko TGV aty amin’ny Faritra Atsinanana

469 0
🔹Omaly faha 10 mey 2025 no nanaovana ny « Redynamisation » ho an’ny Antoko TGV,ka teto Toamasina Renivohitra no nanaovana izany.
Nahatonga Solotena avokoa ny Distrika Fito. Tonga nanotrona ireo TGV avy amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Analanjirofo.
🔹Ankoatry ny fiomanana amin’ny Kongresy Nasionaly,dia noresahana ihany koa ny fiainan’ny Antoko tamin’ny Ankapobeny.
🔹 Fantatra fa misy Fikambanana maro miara miasa akaiky amin’ny TGV,ary nohon’ny fiombonana nisy hatramin’izay,dia nibata fandresena hatrany ny TGV tamin’ireo fifidianana rehetra nisy.
Nitarika ny fotoana ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV ,sady VPAN misahana ny Faritanin’ny Toamasina Rtoa IRMAH Naharimamy.
🔹Nanome voninahitra kosa Atoa Rafidison Richard Theodore Minisitra miahy ny Faritra Atsinanana sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…

Ny Kolonely Ratsimandrava Richard

Posted by - février 11, 2024 0
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…