BIANCO TSIROANOMANDIDY : NIDOBOKA AMPONJA VONJIMAIKA NY RENIBEAN’NY KOLIKOLY 

22 0
🛑 Vehivavy iray ikohizana @ fisolokiana sy fanambakana olona nandritra ny 20 taona ao SAKAY no tratran’ny masoivohon’ny Bianco Tsiroanomandidy amin’ny alalan’ny fikambanana ANGAROA dimy volana lasa izay,ary nahiditra amponja vonjy Maika Etsy antanimora.
(Natahotra ity ramatoa mpanao tsindry sy mpanampatra fahefana ity avokoa ny olona tao antoerana noho ny fampirohoroana nataony nandritra io fotoana io saingy izao tratra niaraka tamin’ny porofo izao ihany)
🛑 Tsiahivina,fa nahatrarana oronampeo manery olona handoa vola 3 Tapitrisa ariary sy hivarotra tanimbary ho fanampiana ireo olona amina raharaha fitsarana ity ramatoa ity izay fisolokiana avokoa Ary nisandoka didin’olona tao @ Fitsarana tao Tsiroanomandidy ihany koa.
🛑 Ny Alarobia 7 Mey 2025 araka izany no niakatra teo anivon’ny PAC 67ha ny Fitsarana fihainoana ny andaniny sy ny ankilany Ary andrasana ny fivoahan’ny didy ny 14 Mey hoavy izao .
🛑 Manao antso avo amin’ny ny fitondrana sy ny tompon’andraikitra voakasika araka izany ireo mpitory sy ny mponin’i Tsiroanomandidy Ary ny fikambanana ANGAROA miaraka miasa @ Bianco Tsiroanomandidy ny MBA hampanjakana ny marina @didy izay hivoaka ny 14 Mey hoavy izao.
🛑 Miahiahy manko ireo Mponina ao antoerana @ mety ho ampiasan’ity ramatoa ity vola be toy ny fanaovana kolikoly izay fomba fanaony hatr@izay.
🛑 Tsara ny manamarika fa hatr@ ny nidiran’ity fenetriben’i Tsiroanomandidy ity tetsy Antanimora,miaina @ filaminana tanteraka ny Mponina ao antoerana Ary tena nihena ny asan-dahalo izay ity ramatoa ity ihany koa no Mbola voantonona t@io resaka maloto io Raha ny fanazavana noentin’ny avy eo anivon’ny fikambanana ANGAROA hatrany.
🛑 Mbola karohin’ny mpitandro ny filaminana hatreto ny zanak’ity ramatoa ity izay nitsoaka ihany koa noho ny asa ratsy fanahon’izy ireo.
(Sary: ireo avy @ Association ANGAROA masoivohon’ny Bianco Tsiroanomandidy sy ilay ramatoa victimes tamin’ny fisolokiana sy tsindry nahazo azy)
Nangoin’i Malala Tsa & Melvina

Related Post

VITA NY TETEZAN’NY MANANDONA

Posted by - mai 16, 2024 0
Tetezan’i manandona antsirabe faharoaVita soamantsara ary efa azo ampiasaina ny tetezan’i manandona ao antsirabe faharoa mihazo ny RN7Tonga nanolotra izany…