Fanasalorana samboady ny ben’ny tanàna 24 distrikan’I Mandoto sy Antanifotsy ary Antsirabe I.

464 0

Natao teto Antsirabe ny zoma teo ny fanasalorana samboady ny ben’ny tanàna 24 mianadahy voafidy tamin’ny distrikan’I Mandoto sy Antanifotsy ary Antsirabe I. Vita iny ny fifidianana hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona ka tsy tokony hisy intsony ny adilahy politika fa ny fampandrosoana ny kaominina no ho banjinina ary ny ben’ny tanàna no tompon’andraikitra voalohany amin’izany izay miara-miasa akaiky amin’ny fitondram-panjakana.

RANDRIA Antsirabe.

 

Related Post

𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 – 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐊𝐨𝐦𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐬𝐲 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐬𝐢𝐩𝐚𝐥𝐲.

Posted by - septembre 4, 2024 0
Nisy ny sehatra nifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Prefektiora eto Antsirabe Ambonivohitra androany 02 septambra.…