FaritraBongolava | Teo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Faritra Bongolava

141 0
Teo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Faritra Bongolava, ny Prefektioran’i Tsiroanomandidy, ny Kaomina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy.
Notontosaina anio faha 15 martsa 2025 ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.
Hetsika maro no nentina nanamarihana izany teto anivon’ny Faritra Bongolava, tamin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny Fanjifana Bongolava.
Dia ny fanamarinana ireo mizana sy fitaovam-pandanjana maro hafa, ny fandorana ireo entana lany daty ary famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny Filohan’ny FIMZOMPAM (Fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa).
Tafatsangana arak’izany ny FIMZOMPAM eto Bongolava, ho fiarovana ireo zo fototra hananan’ny Mpanjifa.

Related Post

𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
« 𝐅𝐈𝐓𝐈𝐀𝐕𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 » 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟗 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 𝟏𝟗𝟒𝟕 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…