Fanatanjahan-tena Fiaraha-monina NANATANTERAKA FIHARABANA TRATRIN’NY TAONA NY HANDI-SPORT MORONDAVA Posted on février 2, 2025 at février 2, 2025 by feonydemokrasia 90 0 Androany no nanatanteraka fiharabana tratrin’ny taona ireo HANDI-SPORT teto Morondava izay notarihan’ny filohan’ny ligin’ny Menabe Andriamatoa Rakotondramanana Rindra Tiana , tonga nanatrika izany moa ireo solon_tenan’ny solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava ary Andriamatoa Thierry Johary izay nisolon-tena an’i Andriamatoa Ulrich Zafera dit Zazah kandida ben’ny teto Morondava tamin’ny fifidianana farany teo. Velom-pisaorana ny Andriamatoa Haja Resampa solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava moa izy ireo amin’ny fiara-miasa sy fitsinjovana azy ireo hatramin’izay ary mbola nandefa an’Andriamatoa Hervé sy ramatoa Harilala izay nisolon-tena azy sady nanome voninahitra ny fiharabana tratrin’ny taona izao, tsy adinon’izy ireo koa no nisaotra an’Andriamatoa Zazah izay teo an’ilan’izy ireo hatrany hatramin’izay ary nanampy azy ireo hatrany ary mbola nandefa an’i Thierry Johary koa androany nisolo tena azy, i Thierry Johary moa dia lohalisitra amin’ireo mpalontsaina niaraka tamin’ny kandida ben’ny Zazah izay Isan’ireo handrafitra ny filankevitry ny Kaominina Ambonivohitry Morondava ankehitriny. Manatena zahay hoy izy ireo fa ho eo hatrany nareo hanohana anay. RA PA
Fokotany Ambodisiny, sy Ambodisaina, Kaominina Amboditandroho,Distrikan’ny Toamasina II Posted by feonydemokrasia - février 9, 2024 0 📌 Natao androany faha 9 febroary 2023 ny lanonanana,ho fanolorana ny salotr’aina ,ho an’ireo mpanjono miisa 190. « Vokatry ny fiaraha-miasan’ny…
𝑵𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝑩𝒆𝒕𝒂𝒎𝒃𝒂𝒌𝒐 Posted by feonydemokrasia - mars 3, 2024 0 Namaly ny hetahetan’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny EPP Betambako ,Zap Bejofo, Cisco Ambatondrazaka ny Solombavam-bahoaka José…
𝗧𝗮𝗳𝗮𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗯𝗮𝗸𝗮 Posted by feonydemokrasia - mai 26, 2024 0 Anjara biriky iadiana amin’ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina. Hanavahana ny gazety ampitain-davitra sy ny mpanao tambazotra an-tserasera. Mijoro ary nampahafantarina,…
FAHATSIAROVANA NY TOLONA 07 FEBROARY 2009 Posted by feonydemokrasia - février 7, 2024 0 « Fitiavan-tanindrazana no nahalavo ireo havantsika, mpiray tanindrazana amintsika lavo teny Ambohitsirohitra 15 taona lasa izay, koa rariny raha tsarovana manokana…
Boriziny – Sofia [AKON’NY FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2024 Posted by feonydemokrasia - janvier 27, 2024 0 Toeram-pambolena zanakazo 1 hektara no nanokafana ny taom-bolen-kazo 2024 ato amin’ny Disitrikan’i Boriziny omaly zoma 26 janoary. Miisa 1…