Fanatanjahan-tena Fiaraha-monina NANATANTERAKA FIHARABANA TRATRIN’NY TAONA NY HANDI-SPORT MORONDAVA Posted on février 2, 2025 at février 2, 2025 by feonydemokrasia 260 0 Androany no nanatanteraka fiharabana tratrin’ny taona ireo HANDI-SPORT teto Morondava izay notarihan’ny filohan’ny ligin’ny Menabe Andriamatoa Rakotondramanana Rindra Tiana , tonga nanatrika izany moa ireo solon_tenan’ny solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava ary Andriamatoa Thierry Johary izay nisolon-tena an’i Andriamatoa Ulrich Zafera dit Zazah kandida ben’ny teto Morondava tamin’ny fifidianana farany teo. Velom-pisaorana ny Andriamatoa Haja Resampa solombavambahoakan’ny Madagascar voafidy tato Morondava moa izy ireo amin’ny fiara-miasa sy fitsinjovana azy ireo hatramin’izay ary mbola nandefa an’Andriamatoa Hervé sy ramatoa Harilala izay nisolon-tena azy sady nanome voninahitra ny fiharabana tratrin’ny taona izao, tsy adinon’izy ireo koa no nisaotra an’Andriamatoa Zazah izay teo an’ilan’izy ireo hatrany hatramin’izay ary nanampy azy ireo hatrany ary mbola nandefa an’i Thierry Johary koa androany nisolo tena azy, i Thierry Johary moa dia lohalisitra amin’ireo mpalontsaina niaraka tamin’ny kandida ben’ny Zazah izay Isan’ireo handrafitra ny filankevitry ny Kaominina Ambonivohitry Morondava ankehitriny. Manatena zahay hoy izy ireo fa ho eo hatrany nareo hanohana anay. RA PA
DISTRIKA IKONGO FIHOTSAHAN’NY TANY RENIM-PIANAKAVIANA SY NY ZANANY 3 NAMOY NY AINA Posted by feonydemokrasia - janvier 8, 2024 0 Mikija mafy ny orana tato ho ato tao amin’ny distrika an’i Ikongo, ary niteraka fihotsahan’ny tany izany ny 7 janoary…
MPOX: Tranga 3 voamarina tao Vakinankaratra Posted by feonydemokrasia - mars 19, 2026 0 MPOX: Tranga 3 voamarina tao Vakinankaratra nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa – efa misy ny vaksiny fanefitra saingy mbola tsy…
Nitolo-batana teny amin’ny Polisy Tsaralalana ilay Talen-tsekoly.. Posted by feonydemokrasia - novembre 27, 2023 0 Tohin’ilay resaka Tale namelaka tehamaina mpianatra tao amin’ny « Ecole privée Nirina » Ivandry. Fantatra izao fa tsy niandry…
𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀 𝐌𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐇𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐃𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀 Posted by feonydemokrasia - novembre 8, 2023 0 𝑭𝒊𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒗𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝑲𝑻 45 𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒌𝒂𝒐𝒎𝒊𝒏𝒊𝒏𝒂 7 ( Tsarasaotra, Ankazoambo, Alakamisy Ambohijato, Ivony, Ivato, Ambositra I sy II) ᴛᴀɴᴊᴏɴᴀ:…
FIARAHA- MIASA NY MINISITERAN’NY ASA VAVENTY SY NY FARITRA SOFIA : ASIANA FANARENANA NY LALAM-PIRENENA RN6 ANELANELAN`I MAROMANDIA SY MAMPIKONY Posted by feonydemokrasia - octobre 29, 2024 0 Ankatoka fiatrehana fahavaratra izao dia miroso amin`ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 fanojo ao Mampikony sy Maromandia ny governoran`ny faritra Sofia…