๐‘ด๐’‚๐’“๐’ ๐’๐’š ๐’”๐’†๐’‰๐’‚๐’•๐’“’๐’‚๐’”๐’‚ ๐’‡๐’‚๐’Ž๐’‘๐’‚๐’๐’…๐’“๐’๐’”๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’Ž๐’Š๐’‚๐’๐’…๐’“๐’š ๐’๐’š ๐‘ฉ๐’†๐’’๐’๐’š ๐‘ป๐’‚๐’๐’‚ฬ€๐’๐’‚.

56 0
Natao androany 24 janoary ny famindram-pitantanana teo amin’ny Ben’ny Tanร na mpisolo toerana Atoa RAKOTOSON Rolland Kolonely misotro ronono sy Atoa RASAMIMANANA Honorรฉ Gabriel na Dokotera Unoh Kandidร  IRMAR(Isika Rehetra Miaraka Amin’i Andry Rajoelina).
Izay voafidy fanindroany hitantana ny Kaominina Antsirabe I.Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Lapan’ny Tanร na. Nisolo tena ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana nandritra izany Atoa RAKOTOVAO Vy Vato Governora Faritra Vakinankaratra. Natrehin’ny olomanan-kaja,manamboninahitra sivily sy miaramila ary Raiamandreny am-panahy avy eto an-toerana,nontronin’ny mpiasan’ny Kaominina.
Didim-pitsarร na nolazaina ampahibemaso ny 17 janoary lasa teo tany Antananarivo no manambara ny nahavoafidy an’i Dokotera Unoh tamin’ny fifidianana Kaominaly natao ny 11 Desambra 2024 ka nahazoany mpifidy miisa 19852 raha toa ka 45942 ny naneho ny safidiny.Mpanolotsaina 09 IRMAR,08 Firaisan-kina Ary 02 Mahaleo tena.
Hitohy ny asa fampandrosoana.
Tsy mora ny asa miandry ny mpitantana amin’ny fanatsarร na sy fampivoarana ny Tanร nan’Antsirabe araka ny fantatra. Nanambara anefa ny Ben’ny Tanร na voafidy fa vonona hanohy ny asa fampandrosoana. Nanentana ny mponina izy hampanjaka ny fihavanana sy ny firaisan-kina ho fitadiavam-bahaolana amin’ny famitร na n’y asa. Tanjona ny hisitrahan’ny vahoaka manerana ny Kaominina Antsirabe I ny fandrosoana.
Betsaka ny tetikasa ho tanterahina.
Hatao fitaratra na ยซย Piloteย ยป amin’ny fampandrosoana i Antsirabe ka hisy ny fanorenana Toby goavana hanodinana ny fako ho lasa zezika,hampiavaka ny Tanร na satria anisany lehibe indrindra aty amin’ny firenena anatin’ny SADEC hoy hatrany ny Ben’ny Tanร na. Ankoatr’izay ny programan’asa PADEV (Programme D’apport de Dรฉveloppement de la Ville) nahazoana ny fankatoavan’ny mpamatsy vola Ary ny fandaharan’asa iarahana amin’ny AFD (Association Franรงaise de Dรฉveloppement).
Antenaina ho tanteraka ร ry ny fampanantenร na ka ho tratra ny tanjona:ย ยปAntsirabe Tanร na Mandrosoaย ยป.
Nangonin’i HAJA.

Related Post

๐๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐ง`๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง`๐ง๐ฒ ๐‘๐ž๐ฉ๐จ๐›๐ฅ๐ข๐ค๐š ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’š ๐‘น๐’‚๐’‹๐’๐’†๐’๐’Š๐’๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐‘บ๐’๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’—๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’‰๐’๐’‚๐’Œ๐’‚

Posted by - juillet 13, 2024 0
๐๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐ง`๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง`๐ง๐ฒ ๐‘๐ž๐ฉ๐จ๐›๐ฅ๐ข๐ค๐š ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’š ๐‘น๐’‚๐’‹๐’๐’†๐’๐’Š๐’๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐‘บ๐’๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’—๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’‰๐’๐’‚๐’Œ๐’‚ – ๐—ก๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—น๐—ผ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฒ๐—น๐—ผ ๐—ต๐—ผ ๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ฃ๐—ฟ๐—ฎ๐—ถ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐˜† ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐˜๐—ผ ยซย Hiaro anareo amin`ny…

Mpikatroka TGV Ambohimalaza | fifampiarahabana noho ny taona vaovao

Posted by - avril 7, 2024 0
๐Œ๐ฉ๐ข๐ค๐š๐ญ๐ซ๐จ๐ค๐š ๐“๐†๐• ๐€๐ฆ๐›๐จ๐ก๐ข๐ฆ๐š๐ฅ๐š๐ณ๐š | ๐Ÿ๐ข๐Ÿ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐›๐š๐ง๐š ๐ง๐จ๐ก๐จ ๐ง๐ฒ ๐ญ๐š๐จ๐ง๐š ๐ฏ๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ — Tontosa androany ny fihaonana sy fifampiarahabana noho ny taona vaovao…
× Inona no azo hanampiana anao?