AVOTRA SABOTSY NAMEHANA | FARADOBOKA

245 0
Alatsinainy faha 09 Desambra 2024 no nanatanteraka ny famaranana ny Fampielezan-kevitra na ny Faradoboka araka ny fomba fiteny mahatra ny Fikambanana ASN na ny AVOTRA SABOTSY NAMEHANA.
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ankalamanjana, izay efa tarazo fanaon’ity Fikambanana ity izany, ka nitrotroana am-bavaka ny asa ho hatao rehetra, rehefa izany dia nirohotra nanatanteraka ny Diabe namakivaky ny lalam-ben’ny Kaominina Sabotsy Namehana ireo Mpikatroka, notron’ny vahoaka marobe nanara-dia azy ireo.
Taorian’izay dia nisy ny fitetezana ireo FKT maromaro vitsivitsy, nandresy lahatra, nilaza ny programan’asa, sns…. Tsikaritra fa tena mifandray am-po amin’ny Mponin’ny Sabotsy Namehana ny Fikambanana ASN satria dia hofahofan-tanana sy teny Fankaherezana hatrany no havalin’ny Mponina ny fitsidihana hataon’izy ireo.
Nisy fiaraha-misakafo, noporofoin’ny nofon-kena mitam-pihavanana rehefa tonga ny mitataovovonana, ary nofarana tamin’ny fiaraha-mifaly teo amin’ny Kianja HERISETRA RAFANODINA kosa rehefa nitehon-kohariva ny andro.
Jerome RAKOTOMALALA, Laharana faha 6 ao amin’ny Bileta tokana
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

๐Ÿ‘‰๐…๐ˆ๐‡๐€๐“๐‘๐„๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€๐๐€ MIOFANA ATO MORONDAVA IREO MPIKAMBANA NY SRMV ANATIN’NY FARITRA MENABE

Posted by - mai 10, 2024 0
โœ…๐Œ๐ข๐š๐ญ๐ซ๐ข๐ค๐š ๐Ÿ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐จ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ค๐š๐ฆ๐›๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐’๐‘๐Œ๐• ๐ฌ๐ฒ ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ฆ๐ฉ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐จ๐Ÿ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐ค๐š๐ฆ๐›๐š๐ง๐š ๐ข๐ฌ๐š๐ค๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐›๐ข๐ซ๐š๐จ๐ฆ-๐ฉ๐ข๐Ÿ๐ข๐๐ข๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐š๐ญ๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐Œ๐ž๐ง๐š๐›๐ž ๐ข๐ณ๐š๐ฒ ๐š๐ญ๐š๐จ…