Iza moa Abou Mohamed Al-Joulani?

317 0
Iza moa Abou Mohamed Al-Joulani?
Mpitarika ny Jihaddistes vao nananjera ny Fitondràn’i Bachar el-Assad ?
Ahmad Hussein al-Chara, no tena anarany Ary teraka tao Deraa t@ taona 1984 (39-40 taona).
Isany mpitarika an’ny Al-Qaeda ( Ilay fototra,) tany Irak – (2003-2006)
Isany mpitarika ny Daesh Fanjakana Islamika ao Iraka (2006-2012)
Mpitarika ny Al-Nusra Front (2012-2016)
Fatah al-Sham Front (2016-2017)
Hayat Tahrir al-Sham (nanomboka ny taona 2017)
Ny tanjona nambarany dia ny hanoloana ny fitondrana Alawite eo amin’ny toerany ao Damaskosy amin’ny fanjakana manaja ny lalàna Sharia saingy lazainy fa “tony antonony” sy manaja ny vitsy an’isa. Saingy tsy izany no nitranga tamin’ny Druze an’i Jabal as-Summaq tao amin’ny faritanin’i Idlib tamin’ny taona 2015 izay voatery niova fo. Ankoatra izany, dia tsy misy afa-tsy 300 ny Kristianina tavela ao amin’io faritra io amin’ireo 10 000 nonina tao. Ny Armeniana ihany koa no niharan’ny Al-Nusra Front tamin’ny taona 2014.
Farany, nolavin’i al-Joulani hatrany ny rafitra demaokratika izay heveriny ho mifanohitra amin’ny finoana silamo.

Related Post

𝗘𝗩𝗘𝗥𝗘𝗦𝗧 : 𝗠𝗜𝗛𝗢𝗙𝗔𝗛𝗢𝗙𝗔 𝗘𝗡𝗬 𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗠𝗣𝗢𝗡’𝗜𝗭𝗔𝗢 𝗧𝗢𝗡𝗧𝗢𝗟𝗢 𝗜𝗭𝗔𝗢 𝗡𝗬 𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗚𝗔𝗦𝗬

Posted by - mai 26, 2026 0
Tafapetraka eny an-tampon’ny tendrombohitra Everest, avo indrindra eran-tany, ny sainam-pirenena Malagasy, vokatry ny ezaka sy fahavononan’ny fianakaviana malagasy #Bouka. Zava-bita…