Fotoana izao, izay no teny filamatra ary navadika ho vondrona manolotra ny candidat Naina Rasmis laharana faha 4 anaty bulletin tokana, izay miatsaka ho Fidiana Benโny Tanร na eto aminโny kaominina Ambanivohitra Sabotsy Namehana.
Fotoana tokoa izao raha nanontaniana izy, ny antony hoy izy dia tsotra tianay Sabotsy Namehana ka fotoana izao hanomezanay ny Valimbabena ho anโny tanร na. Tanร na izay nahalehibe, nianarana ary mbola hitaizana ireo taranaka.
Mikasika ireo mpanolotsaina dia nosivanina manokana izy ireo ho maro loko ary tsy mialon-jafy. Sivana voalohany taminโizany ny fahaiza manao hoentina hampandrosoana ny tanร na. Mpahay lalร na, miaramila manamboninahitra misotro ronona, mpampianatra, mpandraharaha, nianatra momba ny fampandrosoana, informaticien, adjoint au maire teo aloha , olona afaka mampandroso ny tanร na toa izany no mendrika ho anโny Sabotsy Namehana.
Raha ny lafiny programa anโasa dia ny sosialim-bahoaka no tena hifantohana, fijerena manokana ny maha olona, ny mpianatra , ireo mpampianatra, ny be antitra. Hita ary iainana koa anefa ny ny lafiny fitanterana ka asa voalohany atao dia ny fandaminana ny fitanterana izay mampitaraina ny mponina isanandro.
Fifampiresahana aminโireo mpiara miombona antoka rehetra : ny kaominina manodidina rehetra, ny mpitandro ny filaminana, ny koperativa, ny vahoaka no atao afahana mamoaka marimaritra irasaina. Eo koa ny tsena izay azo lazaina fa tsy ampy fandaminana ka mila andraisana andraikitra sy fepetra izay tsy mahafaty ny vahoaka. Ankoatrizany rehetra iazny dia tsy azo adinoina ny fanatsarana ary fanamboarana foto-drafitrasa, ny filaminam-bahoaka, ireo mpiompy sy mbamboly zay mbola maro anโisa ary koa ireo tanora anaty fantanjahantena ary farany ny kolontsaina.
Fotoana izao hanomezana valimbabena ho anโny Sabotsy Namehana, ary miady aminโny fahantrana isika fa tsy miady aminโny mahantra.