Toamasina: Vehivavy miisa 15 no nisitraka fiofanana arak’asa

261 0
Toamasina: Vehivavy miisa 15 no nisitraka fiofanana arak’asa mahakasika ny  » Coupe et Couture » nandritran’ny 4 andro,tao amin’ny CFP Centre de Formation Professionnelle, eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa.
🔹Rehefa vita ny fiofanana dia omena milina fanjairana tsirairay avy iz’ireo mba ho afaka hiatrika asa avy hatrany.
🔹  » Ny tanjona dia mba hanana fidiram-bola ka ho afaka tsikelikely amin’ny fiakinan-doha aman’olona ireo Renim-pianakaviana ireo. Notsongaina manokana iz’ireo satria fantatra fa niharan’ny herisetra ara-batana sy ara-bola,rehefa avy nandalo fanadihadiana teny anivon’ny BFP Brigade Féminine de Proximité.
🔹 Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra, ka ireo fitaovana ireo dia avy amin’ny Rtoa Mialy Rajoelina Vadin’Atoa Filoham-pirenena, izay Reny mpiahy an’io hetsika io » araka ny fanazavan’ny Kaomandin’ny BFP Toamasina Officier de Police Ramanamizaka Henriette.
Nanambara kosa ny Talen’ny CFP, fa hisy hatrany tohana sy ny fanatevenana ny fahaiza-manao ho an’ireo vehivavy avy niatrika fiofanana ireo,mba ho tena matihanina amin’ny sehatry ny zaitra iz’ireo.
Nandalo nitsidika sy nirary soa ho an’ireo mpiofana ireo ny Commissaire Rakotondrainivonona Panoël Tsiky Commissaire Central de Toamasina ,niaraka tamin’ny Kaomandin’ny BFP.

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑’𝐈𝐌𝐄𝐑𝐈𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐎𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐇𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐘

Posted by - décembre 7, 2025 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Km²…

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…