Toamasina: Vehivavy miisa 15 no nisitraka fiofanana arak’asa

113 0
Toamasina: Vehivavy miisa 15 no nisitraka fiofanana arak’asa mahakasika ny  » Coupe et Couture » nandritran’ny 4 andro,tao amin’ny CFP Centre de Formation Professionnelle, eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa.
🔹Rehefa vita ny fiofanana dia omena milina fanjairana tsirairay avy iz’ireo mba ho afaka hiatrika asa avy hatrany.
🔹  » Ny tanjona dia mba hanana fidiram-bola ka ho afaka tsikelikely amin’ny fiakinan-doha aman’olona ireo Renim-pianakaviana ireo. Notsongaina manokana iz’ireo satria fantatra fa niharan’ny herisetra ara-batana sy ara-bola,rehefa avy nandalo fanadihadiana teny anivon’ny BFP Brigade Féminine de Proximité.
🔹 Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra, ka ireo fitaovana ireo dia avy amin’ny Rtoa Mialy Rajoelina Vadin’Atoa Filoham-pirenena, izay Reny mpiahy an’io hetsika io » araka ny fanazavan’ny Kaomandin’ny BFP Toamasina Officier de Police Ramanamizaka Henriette.
Nanambara kosa ny Talen’ny CFP, fa hisy hatrany tohana sy ny fanatevenana ny fahaiza-manao ho an’ireo vehivavy avy niatrika fiofanana ireo,mba ho tena matihanina amin’ny sehatry ny zaitra iz’ireo.
Nandalo nitsidika sy nirary soa ho an’ireo mpiofana ireo ny Commissaire Rakotondrainivonona Panoël Tsiky Commissaire Central de Toamasina ,niaraka tamin’ny Kaomandin’ny BFP.

Related Post

𝐕𝐎𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 2025 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐒𝐎𝐋O𝐓𝐄𝐍𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐓𝐘 𝐀𝐋𝐀𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐆𝐎𝐑𝐎.

Posted by - janvier 14, 2025 0
Fampiakaran- tsaina tao amin’ny fitalevam-paritry ny polisim-pirenena Alaotra Mangoro, Ambalabako no nanamarihana ny fanombohana ny taom-piasana amin’ity Taona 2025 ity…