MIARAMASOANDRO VATOFOTSY ANTSIRABE VEHIVAVY IRAY NIKASA HANGALA-JAZA NO SAIKA NIHARAN’NY FITSARAM_BAHOAKA

286 0
MIARAMASOANDRO VATOFOTSY ANTSIRABE
VEHIVAVY IRAY NIKASA HANGALA-JAZA NO SAIKA NIHARAN’NY FITSARAM_BAHOAKA
Vehivavy iray nikasa hangala_jaza no saika niharan’ny fitsaram_bahoaka tao Miaramasoandro Vatofotsy Antsirabe ny faha 3 novembre teo , nanodidina ny tamin’ny fito ora maraina
Zazavavikely 7 taona saika hamonjy toeram_pianarana no notambatambazan’ity vehivavy ity tamin’ny vola ka nanaraka azy;
Araka ny fitantarana nataon’ny Ray niteraka Ity Zaza ity dia efa nentin’ity vehivavy ity nianantsimo nihazo ny Gymnase Vatofotsy ilay Zaza no nifanena tampoka tamin’ny rahavavin_dReniny ka nanotany azy ny antondihany amin’ny ora fianarana ; nikasa hitsoka ity mpangalajaza ity no nitangoronan’ny fokon’olona ka saika niharan’ny fitsaram_bahoaka saingy tonga ara_potoana ny mpitandro ny filaminana
Araka ny angom_baovao dia tsy vao sambany ity vehivavy ity no nikasa hangalajaza toy izao fa efa fanaony
Nanao fitoriana ny Ray aman_dRenin’ny Zaza ary Efa eny amin’ny mpitandro filaminana ny raharana
📝 Haintso Antsirabe

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…