Fanamafisana ny fametrahana ny paik’ady maharitra amin’ny fahandriam_pahalemana

128 0
Fanamafisana ny fametrahana ny paik’ady maharitra amin’ny fahandriam_pahalemana ao amin’ny kaominina Ankotrofotsy distrikan’i Miandrivazo faritra menabe.
👉 Nototosaina omaly 29 novambra 2024 tamin’ny 11 ora sy sasany tao Ankotrofotsy ny fivoriana miaraka amin’ny vatan-dehilahy 18 taona ka hatramin’ny 45 taona izay notarihan’ny kaomandin’ny vondron-tobim_paritry ny zandarimaria Miandrivazo sy ny lehiben’ny distrikan’ny Miandrivazo
➡️ Notanterahina tamin’izany ny fampianarana ireo zatovolahy ny lalàna mikasika ny basy,ny fitondrana zava-maranitra, nisy koa ny fampahatsiavana ny andraikin’ny tsirairay manoloana ny fahandriampahalemana.
⏭️ Tsara ho marihina fa Isan’ireo kaominina ambanivohitra tena nanjakan’ny asan-dahalony kaominina Ankotrofotsy taloha fa an_kehitriny dia toy ny nofy izany nohon’ny ezak’ireo tompon’andraika ka nankasitraka ny ezaka nataon’ny mpian-tsehatra rehetra ny vahoaka,notsongaina manokana tamin’izany ny zandarimaria.
Nangonon’i RA PA

Related Post

𝐏𝐑𝐄𝐅𝐄𝐊𝐓𝐈𝐎𝐑𝐀𝐍’𝐈 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑶𝑹𝑰𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑷𝑶𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑵𝑲𝑨𝑷𝑶𝑩𝑬𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑱𝑨𝑲𝑨𝑵𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑵𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒀…