Fanamafisana ny fametrahana ny paik’ady maharitra amin’ny fahandriam_pahalemana

299 0
Fanamafisana ny fametrahana ny paik’ady maharitra amin’ny fahandriam_pahalemana ao amin’ny kaominina Ankotrofotsy distrikan’i Miandrivazo faritra menabe.
👉 Nototosaina omaly 29 novambra 2024 tamin’ny 11 ora sy sasany tao Ankotrofotsy ny fivoriana miaraka amin’ny vatan-dehilahy 18 taona ka hatramin’ny 45 taona izay notarihan’ny kaomandin’ny vondron-tobim_paritry ny zandarimaria Miandrivazo sy ny lehiben’ny distrikan’ny Miandrivazo
➡️ Notanterahina tamin’izany ny fampianarana ireo zatovolahy ny lalàna mikasika ny basy,ny fitondrana zava-maranitra, nisy koa ny fampahatsiavana ny andraikin’ny tsirairay manoloana ny fahandriampahalemana.
⏭️ Tsara ho marihina fa Isan’ireo kaominina ambanivohitra tena nanjakan’ny asan-dahalony kaominina Ankotrofotsy taloha fa an_kehitriny dia toy ny nofy izany nohon’ny ezak’ireo tompon’andraika ka nankasitraka ny ezaka nataon’ny mpian-tsehatra rehetra ny vahoaka,notsongaina manokana tamin’izany ny zandarimaria.
Nangonon’i RA PA

Related Post

𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄

Posted by - août 31, 2024 0
𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄 ᴢᴏᴍᴀ 30 ᴀᴏɢᴏsɪᴛʀᴀ 2024 ,ᴇғɪᴛʀᴀɴᴏ ᴍᴀʟᴀʟᴀᴋᴀ ɴʏ ғᴀʀɪᴛʀᴀ…