𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – 𝗠𝗔𝗑𝗔𝗒 π—˜π—­π—”π—žπ—” π—›π—”π— π—£π—œπ—§π—’π——π—œπ—žπ—” 𝗑𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗠𝗔𝗧𝗦𝗬 π—©π—’π—Ÿπ—” π—”π— π—œπ—‘`𝗑𝗬 π—Ÿπ—”π—™π—œπ—‘π—¬ π—™π—”π— π—•π—’π—Ÿπ—˜π—‘π—” 𝗦𝗬 π—™π—œπ—’π— π—£π—œπ—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—™π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—”

136 0
Ezaka maro sosona no apetraka hampivelarana ny sehatry ny fiompiana sy fambolena ato anatin`ny distrikan`i Mandritsara. Fampitomboana ny voka-bary sy fanatsaranany kalitaom-pamokarana, eo koa ny fananganana fotodrafitrasa mifanaraka amin`ny fambokena sy fiomoiana izay. Tanjona ny hanintonana ny mpamatsy vola miara-miasa amin`ny fanjakana foibe. Eo amin`ny sehatry ny fambolena ohatra dia isany hisitraka fandaharan`asa Riz Plus ny distrikan`i Mandritsara ka hametrahana toha-drano mamatsy tanim-bary ny kaominina ambanivohitra Tsarajomoka sy Antsirabe Centre.
Omena tohana amin`ny masomboly kosa ny tantsaha mba ahafahany mampivelatra ny efa ananany. Nivoitra ireo rehetra ireo tamin`ny fandalovan`ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana π‘Ίπ’†π’“π’ˆπ’Šπ’ π‘―π’‚π’‹π’‚π’“π’Šπ’”π’π’, sady mpiahy ny faritra Sofia.
✦Eo amin`ny fiompiana ihany koa dia anaovana ezaka ny hanarenana ny fotodrafitrasa famonoana omby eto Mandritsara. Havaozina araka izany ny « abattoir » ka atao manarapenitra. Nandrisika ny fanjakana habao izany ny fahitana fa distrika midadasika i Mandritsara ary faritra faharoa eto Madagasikara amin`ny fisian`ny omby kosa ny faritra Sofia.
Ankoatra izay, hitondra ny hafatra indrindra ny hetahetan`ny vahoaka aty Mandritsara ny Minisitra amin`ny maha mpiahy faritra Sofia azy; isan`izany ny olan`ny rano, tsy fisian`ny lehiben`ny distrika, fotodrafitrasa. Nitsidika ny renivovitr`Androna moa minisitra ity omaly zoma 22 novambra 2024 na nahafantarana ireo rehetra ireo.
Nantrona ny fahatongavany ny solombavambahoaka roa lahy voafidy tato anatin`ny distrikan`i Mandritsara, ary ireo solontenam-panjakana isantokony misy eto an-toerana.
Nangonin`i Claudio

Related Post

Paska Antsirabe

Posted by - avril 1, 2024 0
Paska Antsirabe Anisan’ny fety iray tena mampiavaka an’Antsirabe ny fetin’ny paska, saika Tonga eto avokoa ny avy any amin’ny faritra…

π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

Posted by - fΓ©vrier 20, 2024 0
π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – 𝐍𝐒𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 π­π¨π¦π›πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞π₯πšπ›πžπ₯𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐟𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐭𝐲  …

Fiarovam-pirenena β€” Fanavaozana lehibe eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Posted by - novembre 16, 2025 0
π…π’πšπ«π¨π―πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 β€” π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš π₯πžπ‘π’π›πž 𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π² π™πšπ§ππšπ«π’π¦πšπ«π’πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filΓ n’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao…