â
Ny 14 novambra lasa teo no nanatontosa fivoriambe teto Antananarivo ny antoko NY SAFIDINâI MADAGASIKARA ka voafidy taminâizany ny filoha vaovao mitarika ny antoko Andriamatoa Nirina RAKOTOARIJAONA. Napetraka ho filohamboninahitra kosa ny filoha mpanorina ny antoko dia ny Jeneraly DĂŠsirĂŠ RAKOTOARIJAONA. Voafidy taminâio fivoriambe io koa ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitra.
âď¸Antoko velona eto aminâny firenena ny antoko NY SAFIDINâI MADAGASIKARA. Nijoro taminâny taona 1995, ary mbola mijoro ankehitriny. Aminâny maha antoko miaina eto aminâny firenena repoblikana azy dia hitondra ny anjarabirikiny aminâny raharaham-pirenena rehetra fa indrindra izay hita fa mahatsara sy mahasoa ity tanindrazana iombonana ity ny antoko.
đłď¸Amin’izao fiatrehana ny fifidianana benâny tanĂ na sy mpanolotsaina izao dia tsy manana kandida natolotra aminâny anarany ny antoko NY SAFIDINâI MADAGASIKARA fa nisafidy kosa ny hanohana kandida izay mitovy vina amin’ny antoko.
âď¸Nitondra hafatra ho an’ny mpifidy sy ny mpikarakara ny fifidianana koa moa ny antoko :
âď¸Manao antso avo ho anâireo rafitra mpikirakira fifidianana mba hijoro hatrany aminâny fanajana ny tsy fitanilana sy ny ara-dalĂ na ho antoky ny fifidianana madio, tsy mitanila ary hekenâny rehetra.
âď¸Manentana ny olom-pirenena ihany koa mba handray anjara mavitrika aminâny latsa-bato aminâny 11 desambra ho avy io. Tsy tokony hiraviravitanana isika vahoaka fa ny fifidianana ihany no ahafahana mitondra aminâny fanovana eto aminâny firenena.
âśď¸Ny teny manentana ity antoko NY SAFIDIN’I MADAGASIKARA moa dia ny hoe âHandeha harenina ny firenena ho fanohizana ny tolonaâ.
Nangonon’i RA PA


Nirina RAKOTOARIJAONA