FIFIDIANANA BEN’NY TANANA ASA SOSIALY MISY VOKANY EO AMIN’NY VAHOAKA NO PRE- CAMPAGNE ATAON’NY KANDIDA IRMAR AO BEFASY

355 0
Nitsidika ny fokotany Andranotojy sy Betoboro ary Befasy ny kandida TSIRENGE Soafiavy Vinà izay natolotry ny IRMAR ao amin’ny kaominina ambanivohitra Befasy distrika Morondava izay notronon’ireo mpiaray fikambanana azy talo avy atsy amin’ny nosy La Réunion ka nijery manokana ny lafiny fampianarana nisy ny fanomezana fitaovana ho an’ireo mpianatra sy mpampianatra cahier sy stylo, crayon, gomme ary tsaoka , eo koa ny tafo ho an’ny sekoly ho an’ny Epp Betoboro, ary nampanatena koa moa izy ireo fa hanangana sekoly vonjimaika aloha hianaran’ireo mpianatra izay mianatra eo ambany kily ary notolorana solaitra be ihany koa izy ireo satria dia varavana no solaitra be nampiasain’izy ireo atao ny sekoly vonjimaika aloha fa tsy maintsy haorina ny tena sekoly ho an’ny fokotany Andranotojy hoy Ramatoa kandida Tsirenge Soafiavy Vinà satria ny ezaka hatao hoy izy rehefa lany ben’ny tanana izy dia ny fampianarana sy fahasalamana ary ny fandriam-pahalemana sy ny fambolena fa alohan’izay hoy izy dia atao izay azo atao miaraka amin’ireo tsara sitrapo sy izay malalan_tanana.
Vonona hampadroso ny kaominina ambanivohitra Befasy ny tenako hoy hatrany Ramatoa Tsirenge Soafiavy Vinà ary ireo mpiara miobon’antoka koa vonona hanampy azy na ny avy eto an-toerana na ireo avy any ivelany.
Faly sy ravo moa ireo mpianatra sy mpampianatra ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa mbola tsy nisy nijery azy ireo toy izao ary vonona hiara-dia amin’ity kandida ity izy ireo, ankoatran’ireo fitaovana moa dia nisy koa ny fizarana goûter ho an’ireto mpianatra tao Andranotojy sy Betoboro ary ny tao amin’ny CEG Befasy.
Nangonon’i RA PA

Related Post

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…