FIFIDIANANA BEN’NY TANANA ASA SOSIALY MISY VOKANY EO AMIN’NY VAHOAKA NO PRE- CAMPAGNE ATAON’NY KANDIDA IRMAR AO BEFASY

211 0
Nitsidika ny fokotany Andranotojy sy Betoboro ary Befasy ny kandida TSIRENGE Soafiavy Vinà izay natolotry ny IRMAR ao amin’ny kaominina ambanivohitra Befasy distrika Morondava izay notronon’ireo mpiaray fikambanana azy talo avy atsy amin’ny nosy La Réunion ka nijery manokana ny lafiny fampianarana nisy ny fanomezana fitaovana ho an’ireo mpianatra sy mpampianatra cahier sy stylo, crayon, gomme ary tsaoka , eo koa ny tafo ho an’ny sekoly ho an’ny Epp Betoboro, ary nampanatena koa moa izy ireo fa hanangana sekoly vonjimaika aloha hianaran’ireo mpianatra izay mianatra eo ambany kily ary notolorana solaitra be ihany koa izy ireo satria dia varavana no solaitra be nampiasain’izy ireo atao ny sekoly vonjimaika aloha fa tsy maintsy haorina ny tena sekoly ho an’ny fokotany Andranotojy hoy Ramatoa kandida Tsirenge Soafiavy Vinà satria ny ezaka hatao hoy izy rehefa lany ben’ny tanana izy dia ny fampianarana sy fahasalamana ary ny fandriam-pahalemana sy ny fambolena fa alohan’izay hoy izy dia atao izay azo atao miaraka amin’ireo tsara sitrapo sy izay malalan_tanana.
Vonona hampadroso ny kaominina ambanivohitra Befasy ny tenako hoy hatrany Ramatoa Tsirenge Soafiavy Vinà ary ireo mpiara miobon’antoka koa vonona hanampy azy na ny avy eto an-toerana na ireo avy any ivelany.
Faly sy ravo moa ireo mpianatra sy mpampianatra ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa mbola tsy nisy nijery azy ireo toy izao ary vonona hiara-dia amin’ity kandida ity izy ireo, ankoatran’ireo fitaovana moa dia nisy koa ny fizarana goûter ho an’ireto mpianatra tao Andranotojy sy Betoboro ary ny tao amin’ny CEG Befasy.
Nangonon’i RA PA

Related Post

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐕𝐎𝐍𝐉𝐄𝐎 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐀𝐍𝐀𝐊𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐀 𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐏𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐌𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…