FANKALAZANA REJIONALY NY ANDRO MANERAN-TANY HO ANY FIZAHANTANY FARITRA MENABE

370 0

☑Ny faha 17 ny volana septembre lasa teo no nanao ny fankalazana nasionaly ny teto Madagasikara fa ho an’ny faritra Menabe kosa dia omaly faha 11 Octobre sy androany faha 12octobre no nanatanteraka ny fankalazana teto amin’ny renivohim-paritra Morondava izay notarihin’ny talem-paritry ny fizahan-tany sy ny asa tanana Menabe ary tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana sy ny lanonanm-pamaranana moa ireo manam-pahefana eto an-toerana izay nahitana ny Loholon’ny Madagasikara voafidy tato amin’ny Faritany Toliara,ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’ny Mahabo, ny Governoran’ny Faritra Menabe,ny Préfet ny Morondava, ny Ben’ny tanana mpisolo toerana eto Morondava, sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ary ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny fizahan-tany ; ny lohahevitry ny fankalazana moa dia ny hoe « Fizahantany sy ny Filaminana »
☑️Nandritrin’ny lanonam-panokafana moa dia nisy ny lahateny nifandimbiasana ary tao aorian’izay dia nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo nahavita ezaka lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany teto Morondava ,dia ny Governoran’ny Faritra Menabe amin’ny fanomezana endrika ny tananan’ny Morondava tamin’ireo tetikasan’ny faritra ; eo ihany koa ny OMC tamin’ny ezaka fandriam-pahalemana izay anisany nampandroso ihany koa ny sehatrin’ ny fizahantany tato Menabe ary notohizana tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva izay nampiratiana ireo vokatra sy tolotra ara-pizahan-tany ato Menabe moa izany .
👉Betsaka ireo hetsika nanamarihana izany fankalazana izany tao anatin’izay andro roa izay natomboka tamin’ny diabe namakivaky ny tanana, radio crochet ary ireo fifaninanana isan-karazany isan’izany ny mitondra Lakana, mitaly volo izay namohazana ireo taovolo kolon-tsain’ny faritra Menabe ary ny filatroana ireo fitafy vita amin’ny asa tanana avy ao amin’ny Centre Écotouristique du Menabe .
Tao amin’ny Hôtel Restaurant Laguna beach Nosikely no nentina namaranana ny hetsika fankalazana rejionaly ny andro maneran-tany ho any fizahantany androany 12 Oktobra 2024 ka nizarana ny loka ho an’ireo nahazo ny laharana voalohany sy faharoa tamin’ireo fifaninana ary ny lahan-teny famaranana natao.
➡️Fantatra nandritra ity andro fankalazana ity moa fa tsy mitsahatra miakatra ireo mpizahan-tany mitsidika ny faritra Menabe ka tsy maharaka intsony ireo foto-drafitrasa handraisana ny mpizahan-tany ato Menabe ka izay no hanaovan’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany ezaka lehibe amin’izay resaka fizahn-tany izay nambaran’ny talemparitry ny fizahan-tany nandritr’izao lanonana izao moa fa Morondava no handray ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany ho any fizahantany amin’ny taona 2025.
Nangonon’i RA PA

Related Post

𝐌𝐀𝐎𝐑𝐈𝐒𝐘 : 𝐍𝐚𝐭𝐬𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐡𝐚𝐦𝐛𝐫𝐞 𝐝𝐞 𝐂𝐨𝐦𝐦𝐞𝐫𝐜𝐞

Posted by - décembre 8, 2025 0
Tontosa ny 07 Desambra 2025 tao Beau-Bassin ny fihaonana ofisialy voalohany nataon’ny 𝐃𝐢𝐚𝐬𝐩𝐨𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐨𝐫𝐢𝐬𝐲, ka nanamarika dingana vaovao…