TONTOLON’NY HAINO VAKY JERY SY NY ASA FANAOVAN_GAZETY: MIJORO NY SAMPANA MIARO NY MPANAO GAZETY ETO MADAGASIKARA.

207 0
 Mijoro ankehitriny ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara.
 Ahitana ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), ny ivon_toeram_pandalinana ny tontolon’ny serasera marolafika eto Madagasikara (ILONTSERA), mpisolovava ary psychologue.
 Hanampy ho amin’ny fiarovana ny mpanao gazety anatin’ny fanatanterahana ny asany ity sampana ity.
 Hiandraikitra ny fanomezana maimaimpoana toro_hevitra sy fiarovana ary tohana ara_moraly ireo mpanao gazety voatohitohina amin’ny zony sy iharan’ny herisetra na fitoriana eo am_panatanterahana ny asany.
Miandraikitra ny fanapahana momba ireo tranga fanitsakitsahana ny zon’ny mpanao gazety sy ny fikirakirana izany aorian’ny fikaonan_dohan’ny mpikambana rehetra ihany koa ity sampana ity.
 Mbola maro tokoa mantsy ireo mpanao gazety iharan’ny tsindry sy herisetra eo am_panatanterahana ny asany eto amintsika.
Mbola any amin’ny laharana faha_100 amin’ny firenena 180 no misy an’i Madagasikara raha ny tatitry ny RSF momba ny fahalalahan’ny asa fanaovan_gazety ny taona 2024.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

Depioté Haja Dinah | nanampy ny voafonja ao Toamasina

Posted by - février 22, 2026 0
𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄́ 𝐇𝐀𝐉𝐀 𝐃𝐈𝐍𝐀𝐇 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐌𝐀𝐗 : 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀𝐕𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 Nitohy…

Posted by - décembre 6, 2023 0
LALANA FASANY KARANA —– Asiam-panamboarana ny lalana miainga eo Ankadimbahoaka, miazo an’iny lalana mankany amin’ny Fasankarana iny.   Somary misy…