CITÉ DES CULTURES

452 0
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafan »ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa.
Ahitana efitrano nomerika sy toerana ahafahana manatanteraka fampiratiana. Mandray hetsika ara_kolotsoina sy fampiofanana.
Isan’izany ny fiarahamiasan’izy ireo amin’ny Association HETSIKA FRANCE izay nahafahana nanatanteraka fampiofanana sarimihetsika nampitain_davitra (formation en ligne).
Itambaran’ireo mpila ravinahitra any ivelany miezaka mampifandray an’i Madagasikara sy Frantsa amin’ireo hetsika maro isan-karazany ity fikambanana ity, noho izany:
👉Tsy hijanona hatreto fa mbola hitohy ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ka mbola maro ireo fampiofanana vinavinaina ho tanterahana ,akaiky indrindra amin’izany ny fampiofanana » chef de coeur « .
Misy ireo zavatra hitan’ izy ireo tokony ampitaina eto Madagasikara eo amin’ny lafiny kolotsaina raha tsy hilaza afa_tsy ny « cirque « sy « dance contemporaine « hoy ny filoha lefitry ny Association HETSIKA FRANCE ka kendrena ny hanatevenana ny fahaiza_manao sy handrakofana ny tontolon’ny kanto.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗘𝗦𝗜𝗔

Posted by - février 19, 2026 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝟏𝟖 𝐅𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗠𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔: 𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬…