π•πˆπ“π€ 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 πŒπ€πŠπ€ππ˜ πŒπ€ππ€πŠπ€πŒππ€π‡πˆππ˜ π€ππ“π’πˆππ€ππ€ πˆπ™π€π˜ πŒπˆπ‘π„π…π˜ 45 𝐊𝐌

364 0
Ny 15 Jolay 2024 no nanombohana ny fanamboarana ny lalana mihazo an’i Manakambahiny Antsinana ato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ary ny Zoma 04 Oktobra 2024 teo no nanoloran’ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA izany tamin’ny fomba ofisialy ho ampiasan’ny vahoaka rehefa vita soamantsara.
Nanano sarotra ny fanamboarana ity lalana mirefy 45 km satria efa tena ratsy dia ratsy tokoa noho izy tsy mba nisy fikarakarana tao anatin’ny 30 taona mahery, ka nisaotra ny Filoha Andry Rajoelina ny Governora tamin’ny fanomezana ireo fitaovana izay tantanan’ny Fiadidiana ny faritra nampiasaina tamin’ny fanamboarana ny lalana.
Notoloran’Andriamatoa Governora fankasitrahana manokana moa ireo nifanome tanana tamin’ny famatsiana ny soloko izay nahitana ireo zanaka ampielezana, ny fidianana ny Kaominina, ireo vahoaka, ny solombavam-bahoaka, ireo mpandraharaha ary nomeny fisaorana manokana ny tale jeneralin’ny orina Fanalamanga Andriamatoa ArlΓ¨me Rabevahiny sy ny Minisitry asa vaventy teo aloha Colonel Livah Andrianatrehina.
Tsy ho sahirana intsony araka izany ny vahoaka amin’ny famoahana ny Vokatra ary azo antoka ihany koa fa hiazakazaka ny fandrosoan’ny Kaominina Makambahiny Antsinana nohon’ny fahavitan’io lalana io ka velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana sy ny Fiadidiana ny faritra ary ireo rehetra nifanome tanana tamin’ny fanamboarana ny lalana izy ireo.
Nanafatrafatra ireo tompon’andraikitra isa-tsokajiny any antoerana sy ny vahoaka ny amin’ny tokony hanajana sy hikojakojana ny lalana kosa Andriamatoa Governora ary nanamafy ny tokony hametraha sy hanaja ireo « BarriΓ¨re de PluieΒ Β» ary ny tokony hifandrombonana amin’ny asa tana maro raha ilaina mba hampanteza io fotodrafitr’asa iombonana io.
Nangonin’i 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

ππ‘π„π…π„πŠπ“πˆπŽπ‘π€π’𝐈 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑢𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑡𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑢𝑹𝑰𝑨𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑡𝑨𝑻𝑨𝑡𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑡𝑨 𝑡𝒀 𝑷𝑢𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑡𝑲𝑨𝑷𝑢𝑩𝑬𝑡𝒀 𝑡𝒀 𝑭𝑨𝑡𝑱𝑨𝑲𝑨𝑡𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑡𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑡’𝑡𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑡𝑢𝑡’𝑡𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑢𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑡𝑬𝑡𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑰𝑡𝑫𝑹𝑨𝒀…